PolitikaSongadim-baovao

FANELEZANA TSAHO SY FANOSORAM-POTAKA: Hitory an’i Mahery Lanto Manandafy ny Depioten’i Miarinarivo sy Soavinandriana

Ny harivan’ny alarobia teo, dia nisy famoaham-baovao nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” nilazany izay noheveriny ho zava-misy any amin’ny DREN Itasy, distrikan’i Soavinandriana, sy ny distrikan’i Miarinarivo ka nanononany mivantana ny depioten’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa sy ny depioten’i Soavinandriana, Fiainantsoa Razaiharimalala. Tao anatin’ny “publication” dia voalaza fa manao fakam-bola tsy ara-drariny ny sefo cisco Miarinarivo ary mandray ampaham-bola amin’izany ireto depiote ireto.

Nitondra fanazavana omaly ireto Depiote roa ireto, fa ny olana ao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana, dia fifanolanana eo amin’ny sefo Zap miisa roa sy ny sefo cisco Soavinandriana. “Marina fa DREN iray, saingy cisco roa samihafa ny cisco Miarinarivo sy ny cisco Soavinandriana”, hoy ny fanazavana. “Nahoana no nambara fa chef cisco an’i Miarinarivo no lazaina fa manao “extorsion de fond” na fakam-bola?. Novaina io publication io omaly, natao cisco Soavinandriana indray”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy misy idiran’ny Depiote…

Ao anatin’io fifanolanana io, dia nitory ny chef cisco ao Soavinandriana ny chef Zap roa noho ny filazan’izy ireo ny fisiana trangana kolikoly nataon’ity tomponandraikitra ity. Nandeha tany amin’ny an-tanan-tohatry ny fitsarana ny raharaha, ary mbola anaty fanadihadiana amin’izao, raha ny fanazavana. Tetsy ankilany, rehefa nandeha ny fifanolanana teo amin’ireo olona ireo, dia nitory indray an’ireo chef Zap ireo ny chef cisco noho ny filazana fa hoe misy fandrahonana ho faty azy. “Izany hoe, tsy misy idiran’ny Depiote mihitsy ny raharaha? Fifanolanana eo amin’ny Chef Zap sy chef Cisco no misy, ary efa mandalo ny an-tanan-tohatry ny fitsarana ny raharaha, ka inona no anton’ilay affirmation gratuite? Ilay famoahana vaovao tsy marina? Avoahy ny porofo?”, hoy ny Depiote Fetra Rakotondrasoa.

Miaro mpanao kolikoly ?

Tao anatin’ny famoaham-baovao nataon’i Mahery Lanto Manandafy dia nisy horonantsary maneho ireo Chef Zap roa izay nanao fanambarana fa miaro mpanao kolikoly ireto depiote roa ireto. “Vonona hanazava izahay raha misy ny porofo. Olom-boafidy izahay, ka ny fanasoketana anay dia raisinay ho fanasoketana ny vahoaka nifidy anay”, hoy ny depiote Fetra Rakotondrasoa. Tsy izany no fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy izy, fa ny fahalalahana dia tokony ho ao anatin’ny fanajana ny lalàna, ary tsy tokony ho tonga amin’ny fanasoketana sy fanaratsiana. “Eto izahay mianadahy dia nanapa-kevitra fa hitory eo anoloan’ny fitsarana, an’i Mahery Lanto Manandafy, izay nanaparitaka ary nanao affirmation gratuite tao amin’ny pejy facebook-ny. Hitory ihany koa an’ireo chef zap izay nilaza fa miaro mpanao kolikoly izahay”, hoy hatrany ny fanambarana.

Marihina fa efa betsaka ireo tomponandraiki-panjakana efa niharan’ny fanelezana vaovao tsy marina nataon’i Mahery Lanto Manandafy. “Zonay amin’ny maha olom-pirenena anay ny mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana, izay                 antenaina fa hitsara ara-drariny”, hoy hatrany fanazavana.

Ny Fanoratana.

Fermer