PolitikaSongadim-baovao

TSY FAHATOMOMBANAN’NY ASA : Tsy mbola notokonana, ary tsy mbola miasa ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Morondava

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook, ny faran’ny herinandro teo, ny sary maneho ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, izay vao naorina. Hita tao anatin’ny sary sy ny horonantsary niparitaka, fa misy tsy fahatomombanana maro be ny fotodrafitrasa vao natsangana. Maro ireo rindrina triatra sy vaky. Teo anatrehan’izany, tsy vitsy ireo mpikirakira tambajotra sosialy no naneho fanakianana avy hatrany ny teknisianina nanao ny asa, ary nametra-panontaniana ny amin’ny fahaiza-manao ananany amin’ny karazana asa fanorenana lehibe tahaka izao. Tao koa anefa ireo nanararaotra ny tranga nandrabirabiana sy nanenjehana ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Minisitera tomponandraikitra, ho manao kitoatoa sy ny manao asa tandrametaka , kanefa volam-bahoaka no hanatanterahana ireny asa ireny.

Ny faran’ny herinandro teo ihany, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe. Izy ireo izay nampahafantatra ny besinimaro fa tsy mbola notokanana, ary tsy mbola miasa akory ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava. Tsy mbola nisy ihany koa ny fandraisana vonjimaika na « réception provisoire » natao manamarika ny fahavitan’ny asa. « Misy olana lehibe ny nananganana ny fotodrafitrasa, satria rehefa vita ny taotrano  dia nanomboka nisy ny triatra, izay marihana fa tsy ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina irery no tratrany fa ireo fotodrafitrasam-panjakana maromaro hafa miorina eo amin’io tany io izay an’ny Faritra », araka ny fanambarana hatrany.

Raha ny fanampim-panazavana dia efa tamin’ny fiandohan’ny volana Jona teo no nidina tany ny tomponandraikitry ny orinasa nahazo ny tsenan’asa fanamboarana, ary efa nitady vahaolana hamerenana amin’ny laoniny asa. « Sarotiny amin’ny kalitaon’ny asa fanamboarana ny minisitera ka tsy afaka hanaiky asa vita tsy mifanaraka amin’ny bokin’andraikitra », hoy hatrany ny fanambarana.

Fermer