PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLA NASIAM-PANITSIANA: Hatolotra anio eo anivon’ny Antenimieram-pirenena

Rehefa ela niandrasana, tonga ihany ny fotoana andraisan’ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2022) avy eo anivon’ny Governemanta. Lafin-javatra maro no andrasana amin’ity tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ity. Ny alakamisy 23 Jona amin’ny 10ora maraina kosa no handray fanapahan-kevitra ireo Depiote, mandritra ny fivoriambe handihina ny LFR 2022.

Araka ny fandaharam-potoana tapaka teo anivon’ny fivoriamben’ny Solombavambahoaka omaly dia amin’ity anio ity ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison no hanolotra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bola nasiam-panitsiana na ny Loi de finance rectificative (LFR) ho an’ity taona 2022 ity. Tsy vitsy ireo Solombavambahoaka no efa nampiaka-peo ny amin’ny fahafohizan’ny fe-potoana hahafahana mandinika ity tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ity. Tsiahivina fa araka ny lalàna 2004-007, dia 60 andro no fe-potoana handinihana ny tetibolam-panjakana. Telopolo andro amin’io an’ny Antenimieram-pirenena, 15 ho an’ny Antenimierandoholona, ary 5 andro avy hanatanterahana ny “navette”. Andrasana, araka izany, izay vontoatim-panitsiana natao tamin’ity tetibolam-panjakana ity. Raha ny fandaharam-potoana hatrany dia amin’ny alakamisy 23 jona amin’ny 10 ora maraina ny fivoriambe handinihana ity LFR 2022 ity.

Hafana ny fifanatrehana amin’ny Governemanta

Etsy ankilany, tapaka teo anivon’ny fivoriamben’ny Depiote ihany koa fa ny talata 28 sy alarobia 29 jona izao no hanaovan’ny Governemanta ny tatitry ny asa ary mitohy amin’ny fihaonana amin’ny Solombavambahoaka (fametraham-panontaniana arahim-baliny). Isan’ny fandaharam-potoana manan-danja indrindra mandritra ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta ny fifanatrehana eo amin’ny Governemanta sy ny Parlemanta. Tombanan’ny mpanara-baovao fa hafana ny adihevitra eo amin’ny roa tonta amin’ity indray mitoraka ity taorian’ireny resabe momba ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ireny. Azo antoka fa samy haneho heviny sy ny tsy fahafaham-pony eo avokoa izay Depiote nanam-pikasana hiroso amin’izany fandravana ny Governemanta izany. Hatreto, mbola mijoro ny Governemanta.

Ankoatra izay koa, teo anatrehan’ny tsy fahalanian’ny Tolo-dalàna momba ny fanombanana ny politikam-panjakana natolotry ny Depiote Johasy Eléonore Raharisoa, dia samy nilaza ny Depiote maro an’isa fa mandritra ny fifanatrehana amin’ny Governemanta no hahafahana manao tombana ny asa vita sy ny tsy vita, ka tsy tokony hisy rafitra hafa ivelan’ny Antenimieram-pirenena hanao ny asa fanombanana. Samy miandry, araka izany, ny rehetra ny “fanombanana” tena ho entin’ireto Depiote ireto mandritra ny fifanatrehana amin’ny Governemanta, izay marihina fa voafetra anatina minitra vitsy ihany ny fandraisam-pitenenan’ny Solombavambahoaka iray.

Fermer