
Fanadihadiana Manokana
FANADINAM-PANJAKANA : Mpianatra miisa 525.111 hiatrika CEPE anio, manerana ny Nosy
Hotontosaina anio, ny fanadinam-panjakana CEPE/6 ème manerana an’i Madagasikara. Mpianatra miisa 525.111 no hiatrika izany amin’ity taom-pianarana 2021-2022. Mahatratra 1 997 no isan’ireo foibem-panadinana hanatanterahana ny fanadinana CEPE/6ème manerana ny Nosy, izay ahitana efitrano 15 944 isa…

Hotanterahina anio, ny fanadinam-panjakana CEPE/6 ème manerana an’i Madagasikara. Mpianatra miisa 525.111 no hiatrika izany amin’ity taom-pianarana 2021-2022. Mahatratra 1 997 no isan’ireo foibem-panadinana hanatontosana ny fanadinana CEPE/6ème manerana ny Nosy, izay ahitana efitrano 15 944 isa. Nitso-drano ireo mpiadina sy nankahery ireo ray aman-dreny sy mpisehatra ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala. Nankahery sy nitso-drano ireo mpianatra rehetra manerana an’i Madagasikara hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE/6ème ho amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity. Tsy nohadinoiny ny nampatsiahy sy nanafatra ireo mpiadina mba tsy hanadino ny taratasy fiantsoana rehefa mandeha mamonjy ny ivon-toeram-panadinana, anio talata, 21 jona 2022, mandritra ny androm-panadinana.
Nandritra izany koa no nankaherezany ireo ray aman-dreny, niezaka hatramin’ny farany nanampy sy nanohana ireo zanany, ka tonga amin’izao fiatrehana ny fanadinana izao. Nohamafisina fa efa nisy ny fandraisana fepetra nataon’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny. « Mitodika aminareo ray aman-dreny manokana ny tenako. Mba hirindran’ny fanadinana sy hampilamina izany ary koa, mba hisorohana ny mety ho fitaintainana dia efa nandray fepetra marolafy ny minisitera foibe. Ao anatin’izany ny fiarovana ny sekoly sy ireo mpiadina, ny fiahiana ireo mpiadina amin’ny fitsaboana maimaimpoana, raha sendra ka misy tsy fahasalamana na tranga tsy ampoizina. Tsy nohadinoina ny fanaraha-maso akaiky ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ary koa ny fanaraha-maso akaiky ny tsy hidiran’ny zava-mahadomelina manodidina ny sekoly, raha ny fanampim-panazavana.
Tomombana ny fanomanana…

Ankoatra izay, nanatitra fisaorana sy fankasitrahana feno ho an’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nanomana sy nandrindra ny asa rehetra mikasika ny fanatanterahana ity fanadinam-panjakana CEPE/6ème ity koa, ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ity. « Mitodika manokana aminareo rehetra mpisehatra, ao ny nanomana ireo antontan-taratasy, ny mpiara-miasa eo anivon’ny Cnapmad, ireo nanatitra ireo fitaovana rehetra eny amin’ireo toerana hanaovana ny fanadinana, indrindra fa izay nandeha tany amin’ireo toerana saro-dalana tsy tratran’ny fiara. Teo koa ny mpitandro filaminana ; ireo mpanara-maso ; ireo hitsara ny taratasim-panadinana ; sy ny maro hafa tsy voatanisa. Azo ambara fa tomombana ny fanomanana amin’ny fiatrehana fanadinana ireo kilonga hiatrika ny fanadinana CEPE.
1997 ireo foibem-panadinana manerana ny Nosy
Tetsy andanin’izany, 1 997 no isan’ireo foibem-panadinana hanaovana ny fanadinana CEPE/6ème manerana ny Nosy, izay ahitana efitrano 15 944 isa. Ireo sekoly simban’ny rivodoza, izay tsy mbola vita fanarenana, efa nandraisana fepetra, mba hahafahan’ireo mpiadina miatrika sy manatanteraka ny fanadinam-panjakana. Efa nanaovana antso avo tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny (DREN – CISCO –ZAP – Talen-tsekoly) mety ho voakasik’izany ny mba hampandre sy hanao tatitra ara-potoana, raha sanatria ka misy ny lesoka mikasika momba ny trano hanaovana ny fanadinana izany.
Isan’ny notsindriana manokana koa fa efa fanadinana mampiaty sy tsy manavakavaka no mihatra ankehitriny.
Tiana ny manamarika fa araka ny tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra, ny 01 jona 2022 lasa teo, dia nekena ny tetiandro natolotry ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny taom-pianarana 2022-2023. Manomboka ny 5 septambra 2022 izany ary hifarana ny 23 jona 2023. Izany hoe, haharitra 36 herinandro, izay hitsinjara vanim-potoana na « période » miisa dimy. Ny CEPE : 20 jona 2023. Ny BEPC : 03, 04, 05,06 jolay 2023.