PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VOLAMENA 36KG VERY TAO AMIN’NY MINISITERA: Nosoloina vy milanja 24,5kg, efa mandeha ny famotorana
Nitondra fanampim-panazavana mahakasika ilay trangana fahaverezana volamena tao amin’ny vata fitahirizan’ny fitaleavana ambony misahana ny Harena an-kibon’ny Tany, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly. Notsindriany fa 36 kilao sy 433 grama ny lanja marin’ireo volamena tsy hita. Efa mandeha ny famotorana, ary tsy maintsy hivoaka ny marina.
Mitotaly 36 kilao sy 433 grama ireo volamena voalaza fa nanjavona tao anatin’ny vata fitahirizan’ny fitaleavana ambony misahana ny Harena an-kibon’ny Tany eo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra. Nitondra fanampim-panazavana mahakasika ity raharaha ity ny Minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier omaly. Nambarany fa nandritra ny fanatanterahana ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha izay voatendry tamin’ny taona 2020, sy ny Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny tany vaovao voatendry ny 13 Aprily 2022, dia pitsopitsony tsy maintsy arahina sy ao anatin’ny fangaraharana ny fanisana ny tahiry anatin’ny « coffre » na ny vata fitahirizana alohan’ny hanaovana fampitàna ny fanalahidy.
Nisy ny dingana nakana vadintany ka notanterahana ny Alarobia 01 Jona 2022 izany “inventaire” izany. Hita taratra tamin’izany fa nisy ny tsy fahatomombanana satria tsy nifanandrify ny entana voalaza fa tokony ho ao anaty coffre sy ny entana voamarin’ny vadintany sy ireo mpanatrika hita maso tao. “Tsy nisy volamena intsony tao fa nosoloina objets métalliques (Vy) maro samihafa amin’ny lanja nitotaly 24.550kg”, hoy ny fanambarana.
Manoloana izany tsy fahatomombanana izany, dia nanao ny tatitra tamin’ny ambaratongam-pahefana ambony ny Minisitra ka nandray fepetra ireo tomponandraikitra samihafa manoloana ny tranga. Amin’ny toe-javatra toy izao dia misy ny Sampandraharaha eo anivon’ny Primatiora izay misolo tena ny Fanjakana mametraka ny fitoriana mba hisokafan’ny fanadihadiana. “Efa nanomboka ny famotorana ary eo am-pelatanan’ny mpanao famotorana sy ny Fitsarana ny tohin’ny raharaha ka antenaina fa ho hita ny zava-marina manoloana izany zava-misy izany”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika.
Tsiahivina fa olona folo no efa naiditra amponja vonjimaika mahakasika ity raharaha ity. Anisan’ny voakasik’izany ny tale jeneraly iray teo aloha eo anivon’ity minisitera ity, ankoatr’ireo tale hafa tamin’ny fotoan’andro heverina fa nisehoan’ny fahaverezana. Misy amin’izy ireo no mbola tale eo anivon’ny minisitera ankehitriny saingy tsy tamin’ny andraikitra sahaniny ankehitriny, fa ny tany aloha no hanenjehana azy, araka ny loharanom-baovao hatrany.



