PolitikaSongadim-baovao

TSY FANARAHAN-DALANA: Nakatona ny Tiko Toamasina

Omaly tolakandro no tonga tao amin’ny toerana misy ny orinasa Tiko AAA ny ekipa avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny hetra, notarihin’ny talem-paritry ny Hetra ao Toamasina. Taorian’ny tetsy Behoririka, araka izany, ity no orinasa AAA faharoa nakaton’ny sampandraharahan’ny hetra, noho ny tsy fanarahan-dalàna teo amin’ny lafiny hetra. Araka ny fanadihadiana, antony nanakatonana ity orinasa ity tsy fananana kara-ketra na “carte fiscale” tsy maty paikandro. Ankoatra izay, araka ny voalazan’ny andininy faha 20.05.03, andalana fahefatra, ao amin’ny lalàna ankapoben’ny Hetra,  tokony hanao “déclaration d’existence” any amin’ny Ivon-ketra misy ny toeram-pitrandrahana, ny orinasa manana birao ivelan’io toeram-piasana io. Tsy voahajan’ny orinasa AAA anefa izany, ka nahatonga ny tompon’andraikitra niroso tamin’ny fanakatonana ny toerana.  Ary farany, ny tsy fanajana ireo adidy ara-ketra rehetra tokony aloan’ity orinasa ity. Feno tanteraka, noho izany, ny fepetra hahafahana manakatona azy. Tsara ho fantatra fa efa nisy ny “taratasy fampitandremana” tamin’ny 17 Aogositra teo, nomena ity orinasa ity, izay manambara ny tokony hikarakarana ireo tsy fanarahan-dalàna misy eo amin’ny orinasa ireo. Izany hoe, fandoavana ny hetra rehetra tsy voaloa, sy fanavaozana ny kara-ketra, mba tsy ho maty paikandro. Tsy nisy tohiny anefa izany, araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Sampandraharaha momba ny Hetra (DGI). Antony nirosoana tamin’izao fepetra izao. Manana 15 andro indray, araka izany, ny orinasa hanitsiana ireo tsy ara-dalàna ireo. Raha toa ka milamina izany vao afaka hisokatra indray ny orinasa.

Fermer