Songadim-baovaoToekarena

NOHO NY KRIZY ANY OKRAINA : Tafakatra 117 dolara ny « Baril »-n’ny solika eo amin’ny sehatra Iraisampirenena

Efa ao anatin’ny fikarohan-kevitra enti-miatrika ny fiakaram-bidin-tsolika maneran-tany ankehitriny ny Fitondram-panjakana malagasy. Raha ny tarehimarika farany omaly dia tafakatra 117 dolara ny « Baril »-n’ny solika. Raha toa ka efa nisafidy ny hampiakatra ny vidin-tsolika ireo firenena maro maneran-tany toa an’i Frantsa, Sénégal, Kaomoro, dia tsy mbola nampiakatra ny kosa isika teto Madagasikara ho fitsinjovana ny vahoaka, raha ny fanazavan’ny Minisitra tomponandraikitra.

Firenena maro maneran-tany no fa nisafidy ny hampiakatra ny vidin-tsolika ao aminy eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny Baril nateraky ny ady ao Okraina. Tafiditra ao anatin’izany i Frantsa izay efa maherin’ny 2 Euro ny litatra ankehitriny. Eo koa i Sénegal izay nanambara ny fiakaran’ny vidin’ny lasantsy 775 FCFA ho 890 FCFA tany amin’ny fiandohan’ny volana jona tany ho any. Nanomboka ny 31 Mey teo koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika hatrany amin’ny 40% ao amin’ny Nosy rahavavy, Kaomoro. Araka ny fanadihadiana, dia  vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, izay tonga 117 dolara ny iray baril, no mahatonga izany. Tranga izay mbola fiantraikan’ny ady ao Okraina hatrany.

Efa saika miady hevitra mahakasika ity fiakaran’ny vidin-tsolika ity avokoa ny firenen-drehetra maneran-tany ankehitriny. Ary na ny lahadiniky ny G7, izay ahitana ireo firenen-dehibe fito, dia i Allemagne, le Canada, la France, l’Italie, le Japon, le Royaume-Uni ary les États-Unis farany teo, izay natao tany Allemagne aza, dia isan’ny niresaka betsaka mahakasika io tranga io.

Tsy mbola nampakatra isika

Etsy ankilany, tsy mbola nampiakatra ny vidin-tsolika isika teto Madagasikara. Na izany aza, efa anaty fifampidinihana hikaroham-bahaolana hiatrehana izany ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, omaly teny Ivato, fa ho fitsinjovana ny vahoaka no antony tsy mbola nampakarana ny vidin-tsolika hatreto. Tsara ho fantatra fa mibaby trosa ny Fanjakana ao anatin’izany fitsinjovana ny vahoaka izany.

Raha tsiahivina, nisy ny fampidinana hatramin’ny 150ar ny litatra, tamin’ny vidin-tsolika teto Madagasikara tany amin’ny volana jona 2019 tany ho any. Taorian’io dia efa nisy fotoana niakatra ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisampirenena, fa tsy niova ny teto amintsika. Nisy fotoana koa nidina ambany be ny vidin’ny Baril teo amin’ny sehatra iraisampirenena, fa tsy nampidina koa isika teto noho ny antony ara-teknika, amin’ny fitantanana ireo trosan’ny Fanjakana. Ankehitriny, tsy azo ihodivirana io fiakaran’ny vidin-tsolika io eto amintsika manoloana ny zava-misy maneran-tany. Tsy mbola voafaritra kosa ny fotoana hampiharana izany.

Fermer