Songadim-baovao
FANADINAM-PANJAKANA : Mpiadina 315.514 hiatrika ny BEPC manerana ny Faritra 23 anio
Manomboka anio, ka hatramin'ny alakamisy 7 jolay izao no hiatrehan'ireo mpiadina miisa 315 514 manerana ireo Faritra 23 eto Madagasikara, ny fanadinana BEPC. Ny 32 amin'izy ireo, manana fahasembanana, raha miisa enina kosa, ireo teratany vahiny. Miisa 1 072 ireo ivon-toeram-panadinana manerana ny Nosy hanatontosana ity fanadinam-panjakana faharoa ity…

Efa tomombana araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana BEPC ho amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity. Efa tonga eny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana avokoa ireo laza adina rehetra mifanaraka amin’ireo taranja hiadinana ary tsara ambin’ireo mpitandro filaminana izany. Anio alatsinainy 4 jolay hatramin’ny alakamisy 7 jolay 2022 no hiatrehan’ireo mpiadina 315 514 manerana ireo Faritra 23 eto Madagasikara izany fanadinana izany. Ny 32 amin’izy ireo dia manana fahasembanana, raha miisa enina kosa, ireo teratany vahiny. Miisa 1 072 kosa ireo ivon-toeram-panadinana manerana ny Nosy hanatanterahana ity Fanadinam-panjakana faharoa ity. Miisa 9 833 kosa, ny isan’ireo efitrano fianarana, fantatra fa hanatontosana izany. « Eto dia manararaotra aho mitsodrano ireo mpiadina ho amin’ny fanadinana BEPC, ary mankahery ireo ray aman-dreny rehetra », hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, nandritra ny tafatafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. « Fankasitrahana sy fankaherezana no atolotra ireo mpampianatra sy mpanabe ary ireo mpiasa maro niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana sy fanomanana ity fanadinana ity », hoy izy. Nampatsiahivina koa, ny tsy tokony hanadinoan’ny mpiadina ny taratasy fiantsoana sy ny fanajana hatrany ireo fepetra sakana, tokony harahina manoloana ny mbola fisian’ny valanaretina « Covid-19 » « , nandritra ny fanazavana notanterahin’ny minisitra tomponandraikitra.
Tambin-kasasarana nefaina…
Ankoatra izany, tanteraka soa aman-tsara ny fanefana ireo vary mangatsiaka tsy voaloa tamin’ny valin-kasasaran’ireo nanatanteraka asa nandritra ny fotoam-panadinana hatramin’ny taona 2018. Raha mbola misy ny tsy fahatomombanan’izany fandoavana ny valin-kasasarana izany, dia hijery vahaolana haingana hamahana izany ireo tomponandraikitry ny fanabeazana isam-paritra. Nisitraka ny tambin-kasasarana nandritra ny fikarakarana fanadinana, ny avy amin’ny Cisco Fenoarivo Atsinanana, Cisco Maroantsetra, Cisco Toliara I sy Ankazoabo, Cisco Ambovombe. Nisitraka ny tambin-kasasarana nandritra ny fikarakarana fanadinana na « vacation » BEPC 2020 niantomboka ny alakamisy 30 jona 2022 lasa teo, ireo mpampianatra mpiasam-panjakana ao anatin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Fenoarivo Atsinanana. Ao amin’ny Cisco, araka izany, no hakana ny taratasim-bola ary ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana ao Fenoarivo Atsinanana kosa, no andraisana ny vola.
Nandray tambin-kasasarana nandritra ny fikarakarana fanadinana na vacation CEPE 2021 sy BEPC 2021 koa, ny Fari-piadidiam-pampianarana Maroantsetra ao amin’ny « Perception Principale ». Tsy diso anjara ary nisitraka ny azy koa ny Fari-piadidiam-pampianarana Toliara I sy Ankazoabo. Toraka izany ny tao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Ambovombe izay ao anatin’ny fizarana ny tambin-kasasarana nandritra ny fanadinana taona 2020, amin’izao fotoana izao. Marihina fa efa eo an-dalam-pikarakarana ny tambin-kasasaran’ireo mpampianatra ny taona 2021, ireo tomponandraikitra any an-toerana amin’izao fotoana izao.




