SosialyToekarena

FITATERANA ETO AN-DRENIVOHITRA Mbola mijanona ho 500 Ar ny saran-dalana

Mijanona ho 500 Ar hatrany ny saram-pitaterana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mazava, fa tsy mbola nisy fiakaran’ny vidin-tsolika eto Madagasikara hatreto, ary tsy mbola nisy fifampidinihana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo vondrom-pitaterana misy…

Tsy misy ny fampiakarana saran-dalana ho 1 000 Ar hihatra manomboka anio, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrom-pitaterana UCTU, Rakotomalala Jean Louis. Raha ny fanazavana dia tsy feno ny fepetra hampiakarana ny saran-dalana. Anisany anton’izany raha ny namafisin’ity tompon’andraikitra ity, ny tsy mbola nisian’ny fifampidinihana teo amin’ny Mpandraharaha ara-pitaterana sy ny Fitondram-panjakana, fa indrindra ny tsy mbola fisian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Araka izany, mijanona ho 500 Ar hatrany ny saram-pitaterana eto an-dRenivohitra. Somary niteraka fikorontanan-tsaina teo amin’ny mpanjfa ihany ity vaovao navoakan’ny teo anivon’ny UCTU ity, herinandro lasa izay, nanambaran’izy ireo fa hiakatra manomboka anio ny saran-dalana. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity hatrany, fa « nandritra ny fivoriam-be notanterahin’ireo mpitatitra no nisian’ny hafanam-po, ka nahatonga iny filazana fampiakarana saran-dalana hihatra anio iny. Teo koa ny fampanenoana lakolosy mba hijeren’ny Fitondram-panjakana ny mpitatitra raha hiakatra izay vidin-tsolika izay ». Raha ny loharanom-baovao voaray anefa, tsy mbola hihatra ato ho ato izay fiakaran’ny vidin-tsolika eto amintsika izay. Mbola mitohy ihany koa ny fifampidinihina eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo Kaompanian-tsolika eto amintsika, amin’izao fotoana.

Tsy maintsy mandalo fankatoavan’ny Fitondram-panjakana…

Raha tsiahivina, ny fitaterana amin’ny taksibe na fitateram-bahoaka dia antsoina hoe « services publics », ka tsy maintsy misy ny fankatoavan’ny Fitondram-panjakana ny amin’ny fampiakarana ny saran-dalana, eo anatrehan’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), araka izany, no tompon’ny teny farany, vao misy saran-dalana miakatra sy ny amin’ny saram-piakarana, fa tsy miankina samirery amin’ny finiavan’ny vondrom-pitaterana. Araka izany, tsy maintsy misy ny fifampidinihana amin’ny Fitondram-panjakana vao hisy ny fanapahan-kevitra farany mikasika ity fiakaran’ny saran-dalana ity.

« Mikendry amin’ny fomba rehetra hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka »

Notsiahivin’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, no sady Mpitondra tenin’ny governemanta ihany koa, fa rehefa hisy ny fiakarana izy tsy maintsy hihatra eo amin’ny vidin-tsolika, noho ny zava-misy iraisam-pirenena, dia tsy maintsy hisy ny fampilazana mialoha amin’ny famoahana izany, miaraka amin’ny daty mazava. Nambarany, fa raha miakatra ny any amin’ny firenen-kafa, dia mbola anatin’ny fifampidinihana sy fifampiraharahana tanteraka kosa ny eto amintsika, satria mikendry amin’ny fomba rehetra hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka ny Fitondram-panjakana. « Ny fampiakarana kely indrindra azo atao no hotanterahina ho fitsinjovana ny vahoaka ». Tsy marina velively, araka izany, ny fiakarana naely an-tambajotran-tserasera, mikasika ny vidin-tsolika io. Eo anatrehan’izany, namafisin’ny Minisitra, fa tsy mbola misy ny tarehimarika tapaka hatreto, mikaika izay vidin-tsolika izay. Amin’izao fotoana midangana ny vidin’ny « baril » amin’ny solika, 117 dolara, izay tsy maintsy hjerena vahaolana amin’izay tsy mahafaty ny vahoaka. Eo anatrehan’ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana indray, fantatra, fa efa nisy fifampiresahana mikasika ny tokony hatao amin’ny lafiny fitaterana. Fantatra tamin’izany fa tsy ho zakan’ny vahoaka ny fampiakarana ho 1 000 Ar, ary tsy mbola ho amin’izay ny Fitondram-panjakana, hoy ity Mpitondra tenin’ny Governemanta ity. Tsiahivina, fa vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana hatrany ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa.

Fermer