KolontsainaSamihafaSosialy
FANAVAOZANA NY SATAN’NY MPANANKANTO : Hamafisina ny antso atao amin’ireo mpanankanto
Mandeha ny antso ankehitriny atao amin’ireo mpanankanto, na ireo izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny kanto amin’ny ankapobeny, amin’ny fanomezan-kevitra entina manangana ny satan’ny mpanankanto eto amintsika. “Efa nisy ny satan’ny mpanankanto teo aloha… tanjona amin’ity tetikasa ity kosa ny hamaritra ny tena atao hoe mpanankanto marina, na mpanankanto matihanina », hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Razafiarison Francis. Izy izay nanamafy ny antso ho an’ireo mpisehatra rehetra voakasika amin’izany, eny fa na dia olon-tsotra aza, mba handefa soso-kevitra. Isany notanisain’ity tompon’andraikitra ity mba handefa ny heviny ireo mpihira, mpamokon-kira na feon-kira, mpanamboatra feon-kira, mpitendry zava-maneno, mpandihy, mpanoratra (Poeta, mpanoratra tantara), mpivolana (mpikabary, mpitantara angano, mpisôva,…). Isany antsoin’ny minisitera koa ireo mpilalao sarimihetsika, tantara tsangana, tantara amin’ny onjam-peo, mpandrindra an-tsehatra, mpanao hatsikana, mpanentana, mpamorona lamaody, mpahaihosodoko, mpahaisokitra, mpahaitaovy, mpahaitaozaitra, mpahaikisary sy mpaka sary, mpisehatra amin’ny tontolon’ny lanonana, trano famokarana, mpandraharaha haikanto (manager), fikambanana ara-kolontsaina, ivon-toerana misahana ny zavakanto sy Kolontsaina (centre culturel).
Hatramin’ny 15 septambra
Hisy ny taratasy lasitra hasain’ny minisitera fenoin’ireo mpanankanto ireo. Taratasy izay hanehoana ny tolo-kevitra na soso-kevitra manodidina ny hoe “mpanankanto matihanina” sy ny adidy miandry azy . Ny valin-teny dia azo alefa ao amin’ny Sp.dg.mcc2019@gmail.com , na aterina any amin’ireo foibem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina manerana ny Nosy, na koa ao amin’ny Tranom-bokim-pirenena Anosy Antananarivo, mialohan’ny 15 Septambra 2020. Tsara ho fantatra fa izao hetsika fakan-kevitra misandrahaka ho fanavaozana ny satan’ny mpanankanto na « Statut des Artistes” ataon’ny minisitera izao, dia ho fampiharana ny fandaharanasa sahanin’ny Fitondram-panjakana izay mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ho fampivoarana ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Ny satan’ny mpanankanto misy eto amintsika ankehitriny dia efa voafaritry ny didim-panjakana lah2011-029 ny 25 Janoary 2011.



