PolitikaSosialy

FITAKIAN’NY MPANOHITRA NY « VERITE DES PRIX » SOLIKA Tetikady politika hanozongozonana Fitondrana sy hitarihana korontana

Tsy ho zakan’ny Fanjakana raha tena ampiharina ny vidin’ny solika tena izy. Nambaran’ny mpandinika ara-piarahamonina sady minisitra teo aloha, Paul Rabary omaly, fa tetikady politika entina hanozongozonana Fitondrana sy hitarihana korontana no tanterahin’ny mpanao politika avy amin’ny fanoherana, momba ny fitakiana ny vidin’ny solika tena izy…

Tsy ho zakan’ny Fanjakana raha tena hampiharina ny vidin’ny solika tena izy. Anisan’ny nambaran’ny mpandinika ara-piarahamonina sady minisitra teo aloha, Paul Rabary io omaly, tetsy Ankorondrano.

« Tetikady politika hoentina hanozongozonana ny Fitondrana sy hitarihana korontana eto amin’ny Firenena ny fitakian’ny mpanohitra ny vidin’ny solika tena izy », hoy izy. Nasongadiny fa  miakatra be ny vidin’ny solika eo anivon’ny sehatra iraisampirenena, ary tsy azo ihodivirana izany. Koa raha izao no mitaky ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy, dia mikorontana ny Firenena, izay miafara hatramin’ny fipoahana ara-tsosialy.  Kajikajy politika, araka izany, no tian’ny mpanohitra hahatongavana, momba ny fikatsahana ny fampiharana ny tena vidin-tsolika.  Nohazavain’i Paul Rabary fa efa manakaikaiky  ny 2€ ny vidin’ny solika any Eoropa. Sarotra hatrany ny zava-miandry ny Fanjakana manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika, satria eto Madagasikara mbola tsy mpamokatra solika. Raha vao misy fiakarana solika ao, dia tsy maintsy misy fiakaran’ny vidin’entana. Ny lanjan’ny ariary mbola manano sarotra, ka rehefa manafatra entana isika,  tsy maintsy ho sahirana hatrany. Etsy ankilany,  ny mpandraharaha eo amin’ny lafiny solika, tsy maintsy mitady tombony. Mila havoaka ny firafitry ny vidin’ny solika eto Madagasikara, dia afaka mifandraharaha tsara ny Fitondram-panjakana.

 Marin-toerana nandritra ny efa-taona…

Nandritra ny Fitondrana teo aloha, dia saika tsy nitsaha-niakatra ny vidin-tsolika. Ho an’ny Fitondram-panjakana, amin’izao fotoana, noho ny ezaky ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny dinika niarahany tamin’ireo Mpandrahara ara-tsolika, dia tsy  nisy fiakarany izany, fa voatazona ny vidin-tsolika, nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao. Na efa niakatra daholo aza ireo any amin’ireo Firenena maro maneran-tany, ny teto Madagasikara kosa, dia tsy nihetsika. Tsy azo ihodivirana intsony ny ho mety fiakaran’ny vidin-tsolika,  noho ny resaka krizy niseho  sy ny vokatry ny ady any Okraina.  Na eo aza izany, tsy mitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana, fa mijery izay tokony ho marimaritra iraisana, mba tsy ho lasa ambony ny mety ho fidangany, hitsinjovana ny valalatsimandadiharona. Ny mpanohitra, miezaka mivoy mafy ny fiakarana 100%, mba hisian’ny fipoahana ara-tsosialy.

Nasongadin’ny Tale jeneralin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH), Jean-Baptiste Olivier, afakomaly  fa «  tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Na izany aza, ny vidin-tsolika eto Madagasikara no anisan’ny mora indrindra, amin’ireo Firenena manodidina aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika ». Na izany aza, mitohy ny fifampidinihana, ka ny tombontsoan’ny mpanjifa no tsy maintsy jeren’ny Fanjakana.

Fermer