KolontsainaSongadim-baovao

« IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO »: Hetsika anitarana lalam-barotra ho an’ireo mpanao hosodoko

Mpanao hosodoko miisa 140 no mandray anjara ary mampiranty ny sanganasany mandritra ny hetsika “Iray volan’ny sary hosodoko” izay natomboka omaly teto Antananarivo sy tany amin’ny Faritra miisa 20 manerana ny Nosy. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa anisan’ny tanjona kendrena amin’ny hetsika ny hanampiana ireo mpanan-talenta amin’io sehatra io mba ahafahan’izy ireo manitatra ny lalam-barotra sy ahafahany mivelona amin’ny talenta izay ananany.

Sary hosodoko miendrika sary sokitra, natao tamina penina, lamba, loko maro samihafa, potika taratasy natambatra, ireo no sombiny tamin’ny fampirantiana tazana teny Analakely nanomboka omaly 12 Jolay ary haharitra herinandro. Nahavariana ny ankamaroan’ireo mpandalo ny fahitana ireo sary hosodoko  amin’ny endriny maro samihafa.  Samy manana ny fahaiza-manao manokana ara- tsokajin-tsary hosodoko ireo artista nampiranty ny sanganasany tamin’ity « Iray volan’ny sary hosodoko » andiany voalohany ity. Anisan’izany i Rijas Rambelo, mpanao sary hosodoko « Impressionnisme traditionnel », raha adika tsotsotra dia sary hosodoko  somary sarotsaro-pantarina sy hisintomana amin’ny fahalalana ny kolontsaina malagasy fahiny. Araka  ny nambarany, ilaina ny fanandratana ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny sary hosodoko. Haranty eny amin’ny fefy ireo zavakanto ireo, mba hanome endrika kanto ny tanàna sy ahafahan’ny mpanakanto maneho ampahibemaso ny sanganasany.

Mitotaly 20 ny isan’ny Faritra mandray anjara amin’ny « Iray volan’ny sary hosodoko », tahaka ny any amin’ny Faritra Bongolava, Sava, Alaotra Mangoro, Menabe, Betsiboka, Haute Matsiatra, Ihorombe, Vakinankaratra, Atsimo Atsinanana, Androy, Atsinanana, Diana, Anosy, Amoron’i Mania, Itasy, Boeny,  Analanjirofo, Sofia. Miisa 90 ireo artista avy any amin’ny Faritra, raha toa  ka 50 ny avy eto an-dRenivohitra, izany hoe, 140 ny fitambaran’ireo artista rehetra mandray anjara.

Fotoan’ny fialan-tsasatra sy mahabe ny mpizahatany

Tosika lehibe amin’ny fanampiana ireo artista hanamora ny lalam-barotra momba ny  kantony ny fisian’ity hetsika ity. « Malalaka kokoa ny varotra fampirantiana eny amoron-dalana raha mitaha amin’ny fampirantiana an’efitrano noho izy hita mivantana » araka ny nambaran’i Rijas Rambelo. Miainga amin’ny 40.000 ariary hatramin’ny 1.000.000 ariary ny teti-bidin’ny sary hosodoko. Nosokofana tamin’ny fomba ofisialy omaly Talata  12 Jolay ny hetsika « Iray volan’ny sary hosodoko » manerana ireo Faritra. Sambany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanao hetsika fampirantiana lehibe momba ny sary hosodoko ho fampihaonana ireo mpanan-talenta sy ny mpanjifa. « Nosafidiana manokana ny volana Jolay satria fotoan’ny fialan-tsasatra sy mahabe ny mpizahatany » raha ny nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Mendrika ny hampiana amin’ny fampiroboroboana ny kanto eo amin’ny lafiny sary hosodoko ireo artista, ary tsy ampy ny iray andro na herinandro fa omena sehatra malalaka izy ireo ao anatin’ny iray volana, hoy hatrany ny tenany. Eo koa  ny fisintomana ireo Malagasy sasany tsy mahalala ny kanto ampitain’ny sary hosodoko ho tia sy liana amin’izany.

Artista telo avy ao Sava 

Miisa 3 ireo artista mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Faritra Sava ary sary maherin’ny 30 no haranty sy hamidy  ao amin’ny Médiathèque municipale Sambava mandritra ny iray volana.

Hiparitaka manerana ireo toerana efa voatokana amin’izany ny fampirantiana manomboka ny Alarobia 20 Jolay  hatramin’ny 12 Aogositra, raha ny eto an-dRenivohitra. Araka ny fandaminana, mitsinjara isaky ny toerana hampirantiana ny sanganasa ireo artista.

Ranto Mamitiana (Mpianatra asa).

Fermer