Songadim-baovaoSosialy

FANAMBOARAN-DALANA ETO AN-DRENIVOHITRA: Sarotiny amin’ny kalitao sy ny fenitra ny Fanjakana

Voatery tsy maintsy nosokafana ireo lalana vao namboarina, natao « béton », maromaro teto an-drenivohitra nandritra ny vanim-potoan’ny fetin’ny asaramanitra teo noho ny hamaroan’ny fifamezivezena. Nisy fiantraikany ratsy teo amin’ireo fotodrafitrasa anefa izany, noho ny fenitra tsy voahaja teo amin’ny fotoana hahafahana nampiasa ireo lalana ireo, taorian’ny fahavitany. Sarotiny amin’ny fampanajana ny kalitao ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana, ka niroso tamin’ny fanamboarana indray ireo lalana ireo, niaraka tamin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asa.

28 andro aorian’ny fahavitan’ny lalana vita « béton » iray vao tokony ho azon’ny fiara sy ny mpampiasa lalana hifamezivezena ny lalana. Tsy voahaja io fe-potoana io, raha ho an’ireo lalana vao natao « béton » teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro vitsy izay, noho ny tsy maintsy nanokafana ireo lalana nandritra ny fetim-pirenena. Vokany, nisy fiantraikany ratsy teo amin’ireo lalana vao namboarina izany, ka tsy maintsy niverenana namboarina indray ireo ampahan-dalana ireo. Isan’ny voakasika manokana amin’izany ny etsy amin’ny Coum 67ha, manakaiky ny tobin-tsolika Jovena. Araka ny nambaran’ny Talen’ny Fotodrafitrasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, Ratomahenina Tantely, manaraka ny kalitao sy ny lafiny ara-teknika rehetra ny fanamboarana ireo lalana ireo. Rehefa niseho, araka izany, ireny fahasimbana vokatry ny fampiasana ny lalana nandritra fety ireny dia tsy maintsy namerina nanatsara azy ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, sy ny orinasa tompon’ny asa.

Haharitra 10 taona ny fotodrafitrasa

Omaly, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona avy eo anivon’Minisiteran’ny Asa Vaventy nijerena ny fanamboaran-dalana etsy amin’ny Coum 67Ha. Marihina fa tsy natao tara araka ny mahazatra ity lalana ity amin’ny maha iva ny toerana eny, fa natao « béton ». Natao hahazaka rano, noho izany, ity karazan-dalana ity. Ao anatin’izany dia najaina ireo ambaratonga momba ny fanamboarana ny lalana, isan’izany ny fakana tany, ny famenoana tany, « couche de fondation », « couche de base », ary ny fandrakofana azy amin’ny « béton ».

Tombanana haharitra hatrany amin’ny 10 taona ity lalana vao amboarina ity, raha ny fanazavan’ny Talem-paritry ny Asa Vaventy, Randriamiarisoa Miora. Ho an’ny etsy 67ha manokana, afaka 15 andro eo ho eo dia ho azon’ny besinimaro ampiasaina indray ny lalana. Mitovy amin’izany ihany koa ny ampahany atao « béton » eny Antohomadinika, eny Anosibe sy ny sisa. Efa misy fiarahamiasa amin’ny mpitandro filaminana amin’ny fampanajana ireny fotodrafitrasa ireny, araka ny fanazavana, mba tsy hiverenan’ny fahasimbana niseho teo aloha intsony.

Fermer