PolitikaSongadim-baovao

MINISITRY NY FITSARANA: Diso ny filazana fa tsy manaja zon’olombelona ny Fanjakana

Mbola raharaha mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny fahavakisan’ny Fonjaben’i Farafangana, ny alahady teo. Betsaka ny fanehoan-kevitra mandeha. Misy ireo manome tsiny avy hatrany ny Fitondram-panjakana noho ny amin’ireo gadra nitsoaka izay lavo, vokatry ny fifampitifirana. Nanazava ny Minisitry ny Fitsarana omaly, fa misy mitady hamadika ho resaka politika ny zavanisy tany an-toerana, amin’ny filazana fa tsy manaja zon’olombelona ny Fanjakana ankehitriny, izay diso tanteraka…

Heloka ny fandosirana ny fonja”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana omaly, raha nitondra fanazavana mahakasika ny zavanisy tany Farafangana. Tsy nisy na iza na iza nanome baiko ny mpitandro filaminana hitifitra ireo gadra nitsoaka, fa amin’ny maha tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka azy ireo no nandraisan’izy ireo fepetra nitifitra. Tsara tsiahivina koa fa nisy tamin’ireo gadra nitsoaka no nitondra fitaovam-piadiana izay nalaina an-keriny tamin’ny mpiandry fonja, izay vitsy an’isa tao anatin’ny fonja. Diso tanteraka noho izany ireo milaza fa niniana novonoina ireo voafonja nanao fikomiana nivoaka ny fonja ireo. “Tsy misy mpitondra fanjakana handeha hitifitra olona fahatany izany”, hoy ny minisitra nanamafy. Izy izay nilaza fa izao Fitondram-panjakana izao no nanome lanja voalohany izany zon’olombelona izany. “Ny Filoha Andry Rajoelina no Filoham-pirenena voalohany niditra tao amin’ny Fonjan’Antanimora”, hoy izy. Ary tsy vitan’izay fa mbola nanome famotsoran-keloka tamin’ny sasany tamin’ireo voafonja tao Antanimora. Entina hanam-porofoina fa zava-dehibe amin’izao Fanjakana izao ny zo maha olona.

Maro ny fonja hatsangana

Etsy ankilany, tranga efa nisy nanomboka taona vitsivitsy ny fahafenoan’ny fonja teto Madagasikara. Miisa 29 000 ankehitriny ireo voafonja manerana an’i Madagasikara. Niaiky ny minisitra fa olona mbola tsy voatsara no betsaka amin’ireo. “Resaka fanajana ny rafitra sy ny lamina no antony mahatonga izany fa tsy misy ambadika politika akory na kajikajy hafa”, hoy izy. Eo anatrehan’izany, izao Fanjakana izao no voalohany nanokana tetibola betsaka tao amin’ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ho an’ny fandraharahana ny fonja sy ho an’ireo tetikasa maro be fananganana fonja eto Madagasikara. Notsiahiviny, nandritra izany fa efa betsaka izao ny Fonja efa ho tokanana tsy ho ela. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny Fonja ao Ambalamena Fianarantsoa, ny ao Imeritsiatosika, ary ny ao Sambava. Efa nohalehibiazina koa ny fonja ao Toamasina ankehitriny. Tsy vitsy koa ireo fonja kasaina hapetraka any amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Ireo tetikasa rehetra ireo dia natao mba hanenana ny isan’ireo voafonja miaraka ao amin’ny toeram-pamonjana iray. Ireny fahamaroana ireny mantsy no miteraka fahasahiranana sy fijaliana ho an’ireo voafonja, ka mety hahatonga ny trangana fahavakisana toy izay niseho tao Farafangana farany teo. Nahitsy ny minisitra omaly raha  nilaza fa “Mora ny miteny rehefa aty ivelany”. Lasa hararaotin’ny mpanohitra hatao resaka politika, hoy izy, ny trangan-javatra toy ireny, kanefa tsy nanadihady tsara akory ny tena zavanisy marina. Izy izay nampahatsiahy, fa nianatra momba ny zon’olombelona ny mpitsara, ary tsy izy ireo mihitsy no handeha hanitsakitsaka izany. Ankehitriny, efa nisy ny iraka manokana avy amin’ny Minisitera foibe lasa any an-toerana, hanohy ny fanadihadiana mahakasika iny raharaha iny. Noho izany, raha misy ny olona na tompon’andraikitra tokony enjehina aorian’ny fanadihadiana dia tsy maintsy hiaraha-mahita eny ihany izany.

Fermer