Songadim-baovaoSosialy

« TRANO FONENANA HO AN’NY REHETRA »: Hirosoana ny fanorenana trano mora 1 000 isa vaovao

Resy lahatra amin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanomezana trano fonenana sahaza ny Malagasy ny orinasa Etrade ka nanaiky ny hifanome tanana amin’ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH). Araka ny fanazavana, handray anjara amin’ny amin’ny fanorenana trano mora miisa arivo eto Antananarivo sy any amin’ny tanàn-dehibe hafa izy ireo.

Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia tafakatra 3 000 ireo olona nisoratra anarana amin’ny fisitrahana ireo trano mora 320 isa eny Imerintsiatosika, araka fanazavan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa. Midika izany fa zava-dehibe amin’ny olona ny tetikasan’ny Fanjakana. « Ny fahitan’ny Fanjakana izany fatokisan’ny Malagasy izany no nanosika azy hanohy ny asa fanorenana trano mora. Hotohizana ny fanorenana eny Imeritsiatosika. Hijery toerana hafa eto Antananarivo koa », araka ny fanazavana. Noho izany indrindra no maha zava-dehibe ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny SENVH sy ny Orinasa Etrade, amin’ny fanorenana trano fonenana vaovao miisa 1 000 indray, hanampy ireo efa mijoro ankehitriny.

Ao anatin’izao fiarahamiasa izao, dia ny Fanjakana no miantoka ny tany, ny fanajariana ny tany, ny fampidiran-drano sy ny pitsopitsony hafa. Ny orinasa Etrade kosa no misahana manontolo ny lafiny fanorenana. « Vonona izahay hanome ny fahaiza-manao rehetra izay efa nanananay amin’ny fananganana fotodrafitrasa nandritra ny 20 taona », hoy ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Etrade, Razaka Brigitte.

Hiroso amin’ny fijerena ny toerana

Ny saran’io fanorenana io no averin’ireo Malagasy mpisitraka ny trano mandritra ny 15 taona avy eo. Tsy alaina amin’izy ireo kosa ireo fandraisana anjaran’ny Fanjakana mba ho fanatanterahana ny vina amin’ny fampisitrahana trano fonenana sahaza. Izany hoe, manodidina ny 40 tapitrisa ariary eo no sarany averin’ny mpisitraka ny trano. Varotra fampanofana no atao, ka mipetraka amin’ny trano avy hatrany izay nahazo izany, fa kosa mamerina ny vidiny isam-bolana, miankina amin’izay nifarahana tamin’ny banky mpiara-miasa. Marihina fa tsy miova ny fepetra hahafahana misitraka ny trano, dia ny maha mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Mety ho mpiasa tena ihany koa, ary olona voamarina fa tsy mbola manana trano misoratra aminy.

Taorian’ny fifanaovan-tsonia omaly hiroso amin’ny fijerena ny toerana hametrahana ireo trano fonenana amin’izay ny roa tonta, ary avy hatrany dia hanorina vantany vao hita ny toerana. Ny Fanjakana dia efa mamaritra ireo tahiri-tany hitsinjovana mialoha izany fanorenana izany, araka ny nambaran’ny SENVH. Ankoatra ireo renivohi-paritany dia hisitraka trano mora koa ireo renivohi-paritra sy ireo renivohitry ny distrika. Ao anatin’ny 2 taona no hanaovana an’ireo trano fonenana ireo, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer