Songadim-baovao
FIZARANA KARA-TANY, FITOKANANA TSENA, CSB MANARAPENITRA : Tsy nohadinoin’ny Filoha Rajoelina ny vahoakan’i Mandoto
Notontosaina omaly, tao an-drenivohitry ny Kaominina Mandoto, ny fizarana ny Kara-tany miisa 163.713 ho an'ireo Kaominina 33 ao amin'ny Faritra Vakinankaratra. Ankoatra ny fizaran’ny Filohan’ny Repoblika ireo kara-tany, notokanana koa ny Tsena manarapenitra, ny CSB II Manarapenitra, ny fitokanana Trano vaovaon'ny Biraon'ny delege ho an’ny minisiteran’ny Mponina tao Mandoto…
Notanterahina omaly, tao amin’ny distrikan’i Mandoto, ny fizarana ny Kara-tany miisa 163713 ho an’ireo Kaominina 33 amin’ny 90, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa « Tetikasa mahafinaritra ahy indrindra no mahavory antsika eto. Tetikasa fizarana ny tany ho an’ny tantsaha ». Hatramin’ny Fahagola no niady tamin’ny mpanjanatany, mba hiverenan’ny fahaleovantena tamin’ny pilotra sy ny lefona. « Ady hafa indray no atrehantsika ankehitriny, rehefa niverina ny fahaleovantena. Ady amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo izany ady izany. Tokana no fitaovam-piadiana amin’izany, dia ny tany. Famerenana ny Malagasy ny tany no lalana entintsika handresentsika ny hanoanana », hoy izy. Izany hoe, averina amin’ny tantsaha ny tany, mba hahafahany mamokatra, entina hamerenana izany fahaleovantena ara-tsakafo izany. Apetrantsika ny BIF na ny Birao ifotony momba ny Fananantany, eny amin’ny Kaominina. Hatsangana ny kaomisionina eny anivon’ny Kaominina handinika izany, raha ny fanampim-panazavana.
Nanajary 5 taona…

Resy lahatra tanteraka, hoy hatrany ny Filoha, ny Fitondram-panjakana ankehitriny fa mitana anjara toerana lehibe momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fanomezana ny tany ho an’ireo tantsaha, izay 85% ny Malagasy. Araka ny fikaonandoha momba ny fananan-tany notanterahina ny 8 Jona 2022 lasa teo moa, notinapaka fa ireo tantsaha nanajary ny taniny nandritra ny 5 taona dia afaka manao fangatahana kara-tany. Hapetraka isaky ny kaominina, ny Birao Ifoton’ny Fananantany, izay hahitana ny Kaomisiona handinika ireo fangatahana kara-tany ary hizara izany ao anaty mangarahara tanteraka. Ny fizarana ny kara-tany faobe, izay natao omaly moa, mifanindran-dalana amin’ny « Tetikasa CASEF », izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Ity farany, nidera manokana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fanavaozana ny fitantanan-draharahan’ny fananan-tany sy ny fanamorana ny fahazoana kara-tany. Ankoatra izay, nisitraka masomboly sy zezika koa ireo mponina sy tantsaha, ankoatra ireo kara-tany nozaraina tamin’izy ireo.
Isan’ireo Delegasiona niara-dia tamin’ny Filoha Andry Rajoelina tao Mandoto, ny Praiminisitra Ntsay Christian, eo koa ny Minisitra Mpiahy, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany Pierre Houlder, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy, ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka, ny Pr Zely Arivelo Andriamanantany ary ny Minisitry ny Mponina Soafilira. Isan’ny tonga nanotrona ny Filoha Andry Rajoelina tao Mandoto, Ramatoa Marie-Chantal Uwanyiligira, tomponandraikitry ny fanatanterahana asa ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara.
Nampita ireo karazana hetaheta…
Nandritra ny fihaonan’ny Filoha tamin’ny vahoaka tao amin’ny Kianja Filalaovam-baolina ao Mandoto no nanambaran’ny Ben’ny tanàna fa « ny Filoha Andry Rajoelina no filoha voalohany nijery ity Distrika. Hanome kianja manara-penitra ho an’i Mandoto ianao, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fanatanjahatena teny amin’ny fivorian’ny Depiote farany teo. Ankoatra izay, angatahanay ny hanananay jiro mandeha 24 Ora amin’ny 24 Ora ».
Ny solombavambahoaka indray, nangataka ny hanamboarana ny RN 34 ; ny hanomezana dabilio fa manoratra amin’ny tany ny mpianatra rehefa any amin’ireo Kaominina maromaro anatin’ny Distrikan’i Mandoto ary ny hanamboarana Lisea ao amin’ny Kaominina Anjoma Ramartine ». Ny Minisitra Pierre Houlder nilaza fa : » ny Fanjakana dia manamora ny Malagasy hizaka ny tany. Tao anatin’ny veliranonao Andriamatoa Filoha ny hisitrahan’ny Malagasy ny taniny. Manomboka androany, haverina amin’ny vahoaka malagasy indray ny taniny, rehefa lasan’ny Mpanjanatany nanomboka ny Fanjanahantany. Tonga eto ianao Andrimatoa Filoha hanolotra ny taniny ho an’ny Malagasy miisa 163.713. Santatra ambavarano ity androany ity ».
Fitokanana fotodrafitrasa maro…

Ankoatra ny fisitrahana ny kara-tany ho an’ireo mponina tao amin’ny distrikan’i Mandoto, nisy ny fitokanana ny Trano vaovaon’ny biraon’ny Delege, ho an’ny minisiteran’ny Mponina. Teo koa ny Fitokanana Tsena manara-penitra, izay novatsian’ny Faritra Vakinankaratra. Io rahateo no tsena manara-penitra voalohany ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra. Ankoatra izay, ny Fitokanana CSB II Manarapenitra. Nambaran’ny Minisitra, Pr Zely Arivelo Andriamanantany fa « CSBII faharoa notokanana tao amin’ny Faritra Vakinankaratra izy ity. Ahitana efitra miisa valo ity CSB II ity, ahitana fitaovam-pitsaboana manarapenitra mamaly ny filan’ny vahoaka toy trano fitsaboana ny aretina ankapobeny, trano fisafoana sy efitra fiterahana, fanaovam-bakisiny…. Ankoatra izay, dia notokanana koa ny Hopitaly fitsaboana raboka na « tuberculose » ao an-toerana. Marihina fa ezaky ny Kaominina sy ny Ben’ny tanànan’i Mandoto no nahavitana izany trano izany. Noderain’ny Filoha Rajoelina manokana Ramatoa Ben’ny Tanàna noho izao ezaky ny Kaominina Mandoto izao.
Notsiahivin’ny Filoha Rajoelina tamin’ny vahoaka tao Mandoto, omaly, fa vao lany Filoham-pirenena izy dia namory ireo Kaompanian-tsolika nitady vahaolana hampidinana ny vidin-tsolika ny volana Jona 2019. Tsapa tamin’izany fotoana izany fa nidangana ny vidin-tsolika. Nihena ny vidin’ny solika tamin’izany taorian’ny fifampiresahana. Tsy nisy Filoham-pirenena nahavita izany teto Madagasikara, araka ny nambarany. Rehefa tsy azo ihodivirana indray ny vidin-tsolika ankehitriny noho ny ady any Okraina dia namory ireo ankolafy rehetra ny Filoha nitady vahaolana. Mbola teo am-pivoriana tamin’ny Kaompanian-tsolika ny Filoha no nahita tolotra mora kokoa noho ilay 117 dolara. Araka ny fanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina, dia 89 dolara ny baryl an’io tolotra io. Araka izany, nilaza ny Filoha fa tsy hisy intsony ny fiakaran’ny vidin-tsolka taorian’iny fiakarana farany teo iny, ary hanao ny ezaka rehetra ny Fanjakana ho fanatanterahana izany.




