KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

FITANTANANA NY ZON’NY MPAMORONA : « Ireo artista nahazo tombontsoa manokana teo aloha no mitsipaka ny fanavaozana »

Andro vitsy taorian’ny fanambaran’ny artista vitsivitsy nitaky ny hanafoanan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fifanarahana tamin’ny orinasa Manoova, sy nitaky koa ny fialan’ny Minisitra tomponandraikitra, dia nitondra fanazavana omaly ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany fa tsy nisy barofo mihitsy na dia kely monja aza nataon’ny Minisitera tamin’ny fanavaozana ny fitantanana ny zon’ny mpamorona. Ary notsindriany koa, fa nanaraka ny lalàna avokoa ny dingana rehetra efa nataon’ny Minisitera.

Tsy nisalasala omaly ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, nilaza fa ireo artista nahazo tombony manokana tamin’ny fitantanana nisy teo aloha teo anivon’ny Omda ireo nanao fanambarana nanohitra ny asa ataon’ny Minisitera ankehitriny ireo. Tsy ny mpanakanto rehetra ireo, hoy izy. Tsy ny artista rehetra no mitaky ny fialan’ny Minisitra sy mitsipaka ny fanavaozana. Notsiahivina fa olana tamin’ny fanesorana ny talen’ny Omda teo aloha no niandohan’ity disadisa miseho ankehitriny ity, izay notsipahin’ireo andiana artista vitsivitsy ireo. Efa 20 taona anefa ilay olona no nijanona teo amin’ny toerana, ary tsy hita izay fanavaozana nentiny. Amin’ny maha rafitra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Omda, dia fahefan’ny Minisitra ny manendry na manaisotra izay talen’ny Omda. Isan’ny notsiahivin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly ny didim-panjakana laharana faha-98 434, tamin’ny 16 jona 1998 mikasika ny  sata sy ny fomba fiasan’ny omda, izay nosoloina sy nofenoin’ny Didim-panjakana 2011-606, 21 sept 2011. “Araka ny andininy voalohany ao amin’io didim-panjakana io, dia eo ambany fiahiana ara-teknika sy ara-panjakana an’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina, fa tsy orinasan’ny mpamorona, ny OMDA. Dikany, tsy mitombona ilay fangatahana hoe tsy te ho eo ambany fiahian’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina intsony, satria ny lalàna misy ankehitriny no hampiharina ary hiainana”, hoy ny Minisitra nanazava.

Araka izay voalazan’ny lalàna…

Amin’ny ankapobeny dia io lalàna mamaritra ny sata sy ny fomba fiasan’ny Omda io no mahavaly ny fanamarihana sy ny fitakiana rehetra nataon’ireny andiana mpanakanto vitsivitsy ireny. Isan’ny nolazaina ohatra fa endrika didy jadona no nataon’ny Minisitra nanao ny fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny orinasa Manoova ao anatin’ny fanavaozana natao. Fahefan’ny Minisitra feno anefa no manao izany amin’ny maha eo ambany fiahiany ny Omda, ary ny lalàna dia tsy miteny mihitsy hoe mila maka ny hevitry ny ao amin’ny filankevi-pitantanana ny Minisitra vao afaka miroso amin’izany. Tahaka izany koa ny filazana fa nataon’ny Minisitera barofo ny antontan-kevitra misy ny mombamomba ireo mpanakanto rehetra tao amin’ny Omda. Mbola fahefan’ny Minisitra feno ihany koa no maka izany amin’ny maha eo ambany fiahiany ny Omda, araka ny fanazavana. Raha toa ka efa niova ho “société d’auteur” na ilay orinasan’ny mpamorona manokana, tsy miankina amin’ny minisitera intsony, ny omda, dia izay vao fandikan-dalàna no nataon’ny Minisitera ankehitriny.

Tsy manana olana amin’ireo mpanakanto

Nitsotra ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tsy manana olana velively amin’ireny artista nanao fanambarana ireny. Ary tsy mametraka olana ihany koa amin’ny fanesorana azy eo amin’ny toerana raha izay no mampilamina ny disadisa. “Fa rehefa mbola izaho aloha no eto amin’ny toerana dia tsy maintsy izay voalazan’ny lalàna no arahiko”, hoy ny Minisitra. Ny tenany izay nampirisika ireo mpanakanto tsy mankasitraka ny fanavaozana ireo mba handroso ny tolo-dalàna amin’ny fametrahana ilay “société d’auteur”, mahaleotena, tsy miankina amin’ny Minisitera intsony. Etsy ankilany, efa marobe ireo mpanakanto tonga nanatitra ny sanganasany tao amin’ilay rindrambaiko Manoova.

Fermer