Songadim-baovaoToekarena

RENIRANON’I KAMORO – BETSIBOKA : Nakatona ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna nataona Sinoa

Nandraisana fepetra avy hatrany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna nataona teratany Sinoa tao amin’ny reniranon’i Kamoro, Kaominina Marokoro, Faritra Betsiboka, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, tany an-toerana, ny zoma 15 jolay teo. Efa mandeha ny fanadihadiana, ary ho atolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’izay.

Fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna no sady tsy manana fahazoan-dalana tao amin’ny reniranon’i Kamoro, Fokontany Tsiandrarafa sy Antsira, Kaominina ambanivohitr’i Marokoro, Distrikan’i Maevatanàna, Faritra Betsiboka no natsahatra taorian’ny fidinana ifotony notontosain’ny delegasiona avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Raha ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Andriamatoa Rabeson Armand, dia efa nandritra ny taona maromaro no nisy fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tany amin’ity toerana ity. Nandritra ny fidinana ifotony dia nandray fepetra ireo iraka avy amin’ny Ministera ka nogiazana avy hatrany ireo fitaovana vaventy nampiasaina tao an-toerana. Marihana fa tsy tratra tao an-toerana ireo teratany Sinoa manao ny asa fitrandrahana. Hatolotra ny Fitsarana kosa ny raharaha aorian’ny fanadihadiana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika. Marihina fa ankoatra ireo tomponandraikitra avy amin’ny Ministera foibe, isan’ny nandrafitra ny delegasiona ihany koa ny avy amin’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) sy ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Mahajanga.

Tombontsoa ho an’ny vahoaka

Nanamafy ny ben’ny tanàna fa fanirian’ny vahoaka any an-toerana ny mba hisitrahan’izy ireo ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ara-dalàna ireo harena an-kibon’ny tany misy ao amin’ny Kaominina Marokoro. Tsy mbola mipaka amin’ny vahoaka ny vokatr’ireo fitrandrahana misy ka izany no antony namoahana ny « Arrêté Municipal » nampitsaharana ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ao an-toerana tamin’ny volana Aprily. Naneho ny fahavononany hanao tatitra ireo tranga misy ny tenany ary mangataka fiarahamiasa sy ny fitohizan’ny fanaraha-maso avy amin’ny Ministera, araka ny fanazavana.

Vola an-tapitrisany dolara

Tsara ho fantatra fa mahatratra an-tapitrisany dolara isan-taona ny fatiantoka ateraky ny fisian’ny fitrandrahana harem-pirenena tsy ara-dalàna tahaka izao, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Vola izay tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Voalaza ombieny ombieny fa harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany, ka ilàna fahaiza-mitantana. “Miroso hatrany araka izany ny Ministera amin’ny ezaka hiadiana amin’ny gaboraraka, hisian’ny fitrandrahana ara-dalàna mba hampirindra ny seha-pihariana volamena sy ho fanadiovana ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny”, araka ny fampitam-baovao.

Fermer