PolitikaSongadim-baovao
FANAMBARAN-DRAVALOMANANA: Filàm-boatsiary sa tahotra fifidianana ?
Enim-bolana latsaka sisa no isaina dia higadona ny taona 2023. Tsy mahagaga, noho izany, raha toa ka manomboka mipoitra tsikelikely amin’izay ireo mpikatroka politika mikatsaka fahefana. Omaly, ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc indray no niseho tamin’ny haino aman-jery, nanao fanambarana manoloana ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Teboka vitsivitsy noresahan’ity filoha teo aloha ity, izay isan’ny lohalaharana amin’ny fanoherana eto Madagasikara. Isan’izany ohatra ny fanambarany fa tokony hahitsy sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana enti-miatrika ny fifidianana. Tsiahivina anefa, fa ny lalàm-pifidianana mihatra eto Madagasikara ankehitriny dia tsy ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana no nametraka azy, fa ny fitondrana HVM. Efa io no nampiharina tamin’ny 2018, ary raha samy nanaiky an’izany avokoa ireo mpifanandrina rehetra tamin’izany fotoana, koa maninona no aty amin’ny taona 2022 indray vao hametrahana olana?
Voalazan-dRavalomanana tao anatin’ny resaka nataony omaly koa fa mbola tsy feno hahafahana mametraka fomba fiasa mangaraharana sy handraisan’ny rehetra anjara ireo fepetra voalazan’ny didim-panjakana noraisin’ny Governemanta sy ny fandaminanana napetraky ny Ceni hitondrana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Isan’ny nametrahany olana tamin’izany ny mbola tsy maha voafidy ireo lehiben’ny fokontany. Tsiahivina anefa fa andriamatoa Ravalomanana tenany ihany koa no nitaky ny hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, volana maromaro lasa izay. Ny lalàna rahateo manery fa tsy maintsy atao isaky ny folo taona ny fanavaozana tanteraka.
Ankoatra ireo, isan’ny nanaitra ny maro tamin’ny fanambaran’ingahy Ravalomanana omaly koa ny mikasika ireo rafitra mikarakara sy mitsara ny fifidianana. Nambarany fa “tsy azo antoka ireo rafitra ireo”, izay notsindriany fa tsy mahaelo tena na ara-pitantanana na ara-bola na ara-pitaovana”. Mitanila sy miandany ny mpikambana ao amin’izany, hoy izy. Tsiahivina anefa fa ny lalàna mifehy ny fananganana ny mpikamban’ny Ceni, izay tsy ny Fanjakana ankehitriny no nametraka azy, no narahan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny fametrahana ireo mpikamban’ny rafitry ny Ceni. Tetsy ankilany, anisany noresahana koa ny resaka fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Noraisiny ho tranga farany ny dian’ny Filoha tany Mandoto. Efa namoaka fanambarana tahaka izay koa ny HVM tamin’ny herinandro ihany, ary efa notaterina koa ny valinteny. Tsy misy resaka hoe “Fidio” itsy na “fidio” zaroa anefa nandritra izany. Noho ireo antony ireo dia ny fikaonan-doham-pirenena ihany no mety amin-Ravalomanana sy ny ekipany. Ilaina ny hevitry ny herivelona rehetra mba hahafahana manatsara ireo voalaza rehetra ireo, hoy izy.



