KolontsainaSongadim-baovao

FITANTANANA NY ZON’NY MPAMORONA : Mpanakanto maro manohana ny fanavaozana entina ao amin’ny OMDA

Ankoatra ireo artista vitsivitsy izay mijoro manohitra ny fanavaozana entin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny OMDA, dia maro ihany koa ireo mpanakanto mankasitraka sy manohana ity ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zon’ny mpamorona ity. Isan’izany i Zoky Vonjy, izay mpitarika mpanakanto maro. Nambarany fa hevitry ny mpanakanto io notanterahin’ny Minisitera io, ka tokony hotohanana.

Notsindrian’i Zoky Vonjy, fa ny Minisitera misahana ny Kolontsaina no mpiahy ny “Office Malagasy du droit d’auteur” OMDA.  “Tadidiko tsara tamin’ny 1995 no nandalo teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mikasika ny OMDA . Efa depiote teo aloha aho mahalala tsara an’izany, ary efa filohan’ny vaomieran’ny Kolontsaina ihany koa, izany hoe, mahafantatra tsara ny tantara. Tamin ‘ny 1998 vao tena nampiharina io lalàna io. Efa ny Minisitera misahana ny Kolontsaina no mitantana sy miahy an’io rafitra io, hatrany am-piandohana. Hatramin’izao, tsy mbola nisy lalàna nandrava an’izany. Raha misy artista tsy mankasitraka an’izany dia tokony hanao tolo-dalàna izy ireo, dia miandry ny an-tanan-tohatra rehetra mandrapanankery izany”, hoy i Zoky Vonjy. Ny tenany izay mpitarika mpanakanto maro, toa an’ndry Black Nadia, Tence Mena, sy ny sisa.

Niaiky ity mpanakanto ity fa misy ny mpamorona sy mpanoratra izay tokony tena hisitraka tsara ny zony ao amin’ny OMDA. Ny olana hatramin’izay, hoy izy, ny mpanakanto rehefa mandeha manao seho, dia tonga any foana ny “recenseur an’ny omda” manome taratasy fenoina dia mitaky vola amin’ny artista. Roa hetsy tsy latsaka no aloa. Na mpikambana na tsia dia tonga foana ny avy amin’ny OMDA maka ny ampahan’ny vola amin’ny artista, hoy ny fanazavany. Nefa rehefa tonga anefa ny fotoana misy ampaham-bola tokony ho azon’ny mpanakanto, tsy mazava ny fitantanana, tsy mazava ny fitenenana hoe ity no vola tokony ho azo. Ity  mpanakanto ity izay tena nankasitraka ity fanavaozana eo anivon’ny OMDA izay avy amin’ny artista ihany, raha ny nambarany.

Afaka manaraka ny hirako rehetra aho

Ankoatra azy, mpanakanto maro hafa koa no efa naneho hevitra mahakasika ity fanavaozana eo anivon’ny OMDA ity, toa an’i Tsiliva izay nanamafy fa, raha araka ny lalàna dia mbola eo ambany fifehezan’ny Minisitera ny OMDA. Dikany, tokony hanome lanja ny fifampiresahana ireo mpanakanto sasany ireo fa tsy hivakivaky. Ho an’i Micky manokana, olany foana hatramin’izay ny tsy fahafahatarana mazava ny fandehan’ilay hira amin’ny radio sy fahitalavitra. Ny fangaraharana ny fandehanan’ny hira, araka izany, no maha zava-dehibe ny tetikasa. “Na aiza na aiza dia afaka manaraka ny hirako rehetra aho. Hitako ara-potoana foana ny volako”, hoy kosa i Beback ao amin’ny tarika Mage 4. Ho an’i Toubih manokana,  “amin’izao fotoana izao dia mandroso ny teknolojia, mahafinaritra hoe isika koa maharaka ny fampiasan’ny olona any ampita. Izany resaka plateforme numérique izany hahafahana manaraka ny fivezivezen’ny sanganan’’ny mpanakanto”, hoy izy. Mbola resy lahatra tahaka izany koa i Henri Ratsimbazafy. Ity farany izay nanatitra hira efa anjatony nalefa tao amin’ny rindrambaiko. Ho azy dia hanampy amin’ny fitahirizana ny hira no nandefasana azy ao.

Tsiahivina fa nanomboka ny 01 jolay no afaka nanatitra ny sanganasa teny amin’ny  Tranombokim-pirenena Anosy ireo artista.

Fermer