Fanadihadiana ManokanaSongadim-baovaoToekarena

LISEA, BIRAOM-PANJAKANA, TRANON’NY MPIANATRA,…: Manao sesilany ny fitokanana zava-bita ao Mahajanga

Fotodrafitrasa maro no notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Boeny, tamin’ny andro voalohan’ny fitsidihany tany an-toerana omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny biraom-panjakana isan-karazany, ny lisea manarapenitra, ny “hôtel des finances” sy ny sisa hafa koa. Nohamafisin’ny Filoha, nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka fa tsy hadino intsony i Mahajanga tamn’ny fampandrosoana, ary tsy maintsy tafita i Madagasikara.

Nisantaran’ny Filohan’ny Repoblika ny fitsidiham-paritra ataony ao Boeny ankehitriny, izay haharitra telo andro, ny fitokanana ny Lycée Manara-penitra Amborovy – Mahajanga omaly 22 jolay 2022. Ho an’ny Faritra Boeny manokana dia miisa 15 ireo sekoly manara-penitra naorina sy an-dalam-pahavitana ary ny dimy amin’ireo dia ao Mahajanga I. Tsy ho sahirana handeha an-tongotra alavitra be intsony araka izany ireo mpianatra ao an-toerana manomboka izao raha hamonjy toeram-pianarana. “Mendrika ny hanana sekoly tsara kalitao sy fotodrafitrasa maoderina sady manara-penitra ny zanak’Amborovy”, hoy ny Filoha. Tanjona amin’izao fananganana toeram-pianarana manakaiky vahoaka izao ihany koa ny hampihenana betsaka ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly.

Afaka mandray mpianatra hatramin’ny 600 ity lisea vaovao ity, ahitana efitrano fianarana miisa 12, efitrano fanomanana ho an’ny mpampianatra, laboratoara, efitrano famakiam-boky sy fikirakirana informatika, birao samihafa ary manana kianja filalaovam-baolina ihany koa. Toa ireo sekoly rehetra manerana ireo Faritra eto Madagasikara dia notolorana boky fianarana sy « tablettes numériques » ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Amborovy.

Biraom-paritry ny BNGRC

Isan’ireo notokanana omaly ihany koa ny Biraom-paritry ny Birao mitantana ny tandindona sy ny loza voajanahary (BNGRC). Araka ny fanazavana, natsangana ity biraom-paritry ny BNGRC eto Amborovy-Mahajanga ity mba hanafainganana ny asa fiarovana sy ny fisorohana ny loza mety hitranga. “Izao asa vita izao dia tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Fitondram-panjakana, dia ny fametrahana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka amin’ny sehatra samihafa, ka anisan’izany ny fiarovana sy fiahiana ny vahoaka amin’ny ambana voajanahary toy ny tondran-drano sy ny rivodoza”, hoy ny Filoha nanazava. Ankoatran’ny « centre opérationnel » sy ny biraon’ireo tompon’andraikitra, dia hita eto amin’ity biraom-paritry ny BNGRC eto Mahajanga ity ihany koa ny « hangar » hametrahana ireo entana sy fitaovana entina manavotra ain’olona sy hanampiana ny vahoaka raha sanatria misy loza.

Trano fatoriana vaovao ho an’ny mpianatra

Tetsy ankilany, nahazo trano fatoriana vaovao afaka andraisana mpianatra 300 ny Oniversiten’i Mahajanga, raha toa ka efa ho 30 taona mahery izay no tsy nisitrahany fananganana trano vaovao. “Mila tohanana ireo tanora Malagasy mba ho tafita ary indrindra hahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ka izany indrindra no antony nanangana izao fotodrafitrasa izao”, hoy ny Filoha. Ny isan’ny mpianatra tonga mandranto fianarana ao an-toerana rahateo mitombo isan-taona. Nampatsiahiviny fa maro be ireo mpianatra mahazo bakalorea isan-taona no tsy afaka mianatra noho ny tsy fahafahan’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina mandray azy ireo. Izany indrindra no antony nanaovan’ny Fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ny fananganana oniversite miisa 13 manerana an’i Madagasikara tao anatin’ny telo taona sy tapany, ho fitsinjovana ny zanaka malagasy handranto fianarana.

 

Biraom-paritry ny mponina

Natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho an’ny mponin’i Mahajanga II omaly ihany koa ny Biraon’ny Mponina, ny fiahiana sosialy sy ny fampivoarana ny vehivavy. Natsangana izao fotodrafitrasa manara-penitra izao mba hanomezana hasina ny asam-panjakana ary koa hanomezana fahafahampo ireo mponina izay tonga manatona mikarakara taratasy na maka torohevitra eto, indrindra ireo fikambanam-behivavy. Izany dia mifanaraka indrindra amin’ny Velirano sy fanamby napetraky ny Filoham-pirenena, dia ny fametrahana biraom-panjakana manarapenitra sy manakaiky vahoaka manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara, araka ny fanazavana.

Fitokanana ny “Hôtel des finances”

Namaranan’ny Filoha Andry Rajoelina ny andro voalohany omaly ny fitokanana ny « Hôtel des finances » ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Ny tanjon’ny fametrahana ny “hôtel des finances” dia ho fanatanterahana ny hoe « Fanjakana manakaiky sy mikarakara ary manasoa vahoaka ». Tany aloha dia tany an-toeran-kafa ny fandraisana fisotroan-dronono, fandoavana hetra, ny fandraisana karama. Ankehitriny, noho ny fisian’ny « hôtel des finances » dia efa ao daholo ny mikasika ny fikarakarana sy fikirakirana ny volam-panjakana rehetra.

Ankoatra ny fanampiany mivantana ny vahoaka dia manome endrika vaovao ny tanàna koa ny karazany fotodrafitrasa tahaka izao. « Raha adino foana Mahajanga hatramin’izay, vao Telo taona monja dia fotodrafitrasa maro no notokanana teto Mahajanga », hoy ny Filoha.

Notsindriany tao anaty kabariny fa tsy vita ao anatin’ny 1 na 2 na 3 andro ny fampandrosoana napetraka. Ny fitokanana zava-bita eto Mahajanga dia tsy vita anatin’ny 1 andro. Ny fanavotana an’i Madagasikara tsy vita ao anatin’ny herintaona, na roa taona, na telo taona saingy efa betsaka ny vita . “Ny fanamboarana an’i Madagasikara dia tsy vita iray andro fa matokisa ianareo fa tsy maintsy tafita Madagasikara ary tsy hadino amin’izany i Mahajanga. Manaporofo an’izany ny zavatra tokanantsika androany (ndlr: omaly)”, hoy ny Filoha.

Fermer