Songadim-baovaoToekarena

FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY: “Mitaky tontolo matihanina sy mirindra ary azo antoka” hoy ny Masoivoho Britanika

Sady fanoitra ho amin’ny fampananana asa no loharanom-bola ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, hoy ny Masoivoho Britanika miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa David William Ashley. Ity farany izay nanipika mazava fa mitaky tontolo matihanina sy mirindra, ary azo antoka ity sehatra ity mba hahafahany mitondra anjara biriky bebe kokoa ho an’ny toekarena sy ny fampandrosoana firenena, araka ny nambarany nandritra fitsidihana ara-pomba fanajana nataony teny amin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika Rakotomalala Herindrainy Olivier teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, omaly. Noresahan’ny roa tonta ny fiarahamiasa mba hitondran’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany anjara biriky bebe kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ny mahakasika ny fiantraikan’ny resaka fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy, ny fenitra EITI. Ny Fanjakana Britanika dia isan’ireo firenena lohalaharana amin’ny fametrahana sy fampiharana ny fenitra EITI, fenitra izay mikatsaka ny fangaraharahan’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany sady isan’ny manampy ny firenena iray amin’ny fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany.

Tetsy ankilany, nohararaotin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany ity fihaonana ity nizarany tamin’ny Masoivoho Britanika ny faniriany hiara-hiasa amin’ity firenena ity, eo amin’ny resaka fanofanana. Fanofanana izay tafiditra anatin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa eo anivon’ny Ministera iandraiketany ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Samy resy lahatra ny roa tonta, nandritra ny fihaonana, fa sehatra manan-danja goavana eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Fermer