PolitikaSongadim-baovao

TOE-DRAHARAHA POLITIKA: Miray feo manameloka ny fanakorontanana ireo Antoko miara-dia amin’ny Fitondrana

Manao sesilany ny fanambarana fanamelohana ny endrika fanoherana ataon’ny mpanohitra ankehitriny, avy amin’ireo Antoko Politika miara-dalana amin’ny Fitondrana mijoro ankehitriny. Nanambara omaly ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV eto Antananarivo fa manaja ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny ny Fitondrana mijoro ankehitriny saingy tsy hamela kosa ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fikasana hanongam-panjakana hahazo laka.

“Olona milaza fa hanongam-panjakana ve dia ho avela fotsiny? Azo atao ny maneho hevitra fa ny zavatra arangarangan’ny mpanohitra dia fanonganam-panjakana. Tsy maintsy miaro tena ny Fitondrana”, hoy ny Governoran’Analamanga, sady Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV eto Antananarivo, Hery Rasoamaromaka. Nambarany fa manaja ny fahalalahana maneho hevitra ny Fitondrana ankehitriny saingy tsy manaiky kosa ny endrika tsy fanarahan-dalàna sy ny fikasana hanongam-panjakana. Notsindriany rahateo fa efa tsy maharesy lahatra ny olona intsony izany fanonganam-panjakana izany. Manaporofo izany, hoy izy, ny tsy nahazakan’ny mpanohitra olona maro tamin’iny hetsika natao ny sabotsy teo iny. Fanontaniana mipetraka rahateo ny hoe raha miongana ve ny Fitondrana ankehitriny dia hidina ny vidim-bary sy ny vidim-piainana? Entina hilazana fa tsy vahaolana velively ny fanakorontanana sy ny fanonganam-panjakana. Na izany aza, nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tokony hahay haka lesona ihany koa ny Mpitondra. Tokony ho samy manao ny mety, hoy izy, satria sarotra ny miverina eo amin’ny Fitondrana. Ny tenany izay niantso ny eo anivon’ny mpanatanteraka rehetra mba hahay hifampihaino, indrindra ireo hetahetan’ny olom-boafidy eny ifotony na avy amin’ny mpanohitra izany na avy amin’ny mpomban’ny Fitondrana. Andriamatoa Hery Rasoamaromaka dia milaza ho misokatra amin’ny fifampiresahana rehetra, saingy mitsipaka kosa ny fikaonandoham-pirenena takin’ny mpanohitra, izay ambarany fa tanjona hitadiavan-tseza.

AVI, Antoko Maitso, Freedom,…

Ankoatra izay, isan’ireo nanao fanambarana ihany koa ny Antoko Asa Vita Ifampitsarana (AVI), fa “manameloka tanteraka ny fihetsika rehetra izay mety hitarika fisavorovoroana eto amin’ny firenena toy ny fitarihana olona tsy hanara-dalàna, na fanaovana teny mihantsy ady izay mety mety hitondra sy hiteraka fanakorontanana saim-bahoaka”. Ny Antoko AVI dia manentana sy miantso ireo  mpiantsehatra ara-politika rehetra tsy ankanavaka hanaja ny fifandimbiasam-pahefana  amin’ny alalan’ny fifidianana.

Tafiditra ao anatin’ireo Antoko politika nanao fanambarana ihany koa ny Antoko Maitso. Ity farany izay nilaza fa malalaka dia malalaka ny fanehoan-kevitra eto amin’ny firenena, na amin’ny haino aman-jery izany na amin’ny tambajotran-tserasera isan-karazany. Fa tsy azo ekena kosa ny fihantsiana enti-mampisara-bazana ny vahoaka malagasy. “Fitondrana voafidy ara-dalàna sy nankatoavin’ny rehetra no misy ankehitriny. Aoka hohajaina mandrakariva ny fe-potoana nofaritan’ny Lalàmpanorenana iasan’ireo Andrimpanjakana lany tamin’ny fomba demokratika eto amin’ny tany sy ny  firenena ireo… Tsy misy fampandrosoana ao anatin’ny Korontana. Aoka tsy ho tanjona arak’izany ny fanakorontanana entina hakana Fitondrana”.

Etsy ankilany, ny Antoko Freedom ihany koa dia efa nilaza ombieny ombieny, fa ny fahalalahana miteny dia tsy midika ho gaboraraka velively. Ny lalàna no fefin’ny fahalalahana maneho hevitra. Ary na aiza na aiza maneran-tany dia misy lalàny hatrany izany fanehoan-kevitra izany fa tsy izay tiana atao dia azo atao avokoa. Firenena demokratika i Madagasikara, saingy firenena tan-dalàna ihany koa, ary tokony hohajain’ny mpisehatra ara-politika rehetra izany.

Fermer