Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

KIANJA BAREA MAHAMASINA : Vita ny fanaovana atletisma manaraka ny fenitra iraisampirenena

Tafiditra tanteraka tao anatin’ny fifanarahana voalohany tamin’ny tetikasa Kianja Barea ny fametrahana “piste en tartan” manodidina ny kianja filalaovana. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena farany napetraky ny IAAF na Fivondronana Iraisam-pirenena ho an’ny Federasiona Atletisma ny « piste d’athlétisme en tartan » ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Mirefy 400m manodidina ny kianja ahitana “couloirs” 8 mielanelana 1.22m avy, arahina “marquages” fiaingana sy fametrahana « haies ». Afaka mandray mpilalao 9 kosa ho an’ny hazakazaka 100m. Mirefy 13mm ny hatevin’ny tartan izay napetraka ary sosona in’efatra miantoana no nametrahana azy, araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana. Misy ihany koa ny toerana fanaovana “triple saut” sy “saut en longueur”.

Nanatanteraka ny fanamarinana sy fankatoavana izany asa izany ny mpiandraikitra ny tetikasa kianja Barea Mahamasina notarihin’Atoa Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa. Afaka mandray ireo lalao fifaninanana lehibe ara-panatanjahan-tena anatin’ny taranja atletisma mifanandrify amin’ireo fotodrafitrasa misy ao an-toerana ny Kianja Barea Mahamasina. Hiarahana amin’ny “Fédération Malagasy d’Athlétisme” ny fandarahana ny fampiasana izany. “Izany moa dia manaraka ny fandaminana izay efa mipetraka ho an’ireo fotodrafitrasa rehetra ao an-toerana, eo am-piandrasana ny fametrahan’ny Fanjakana ny rafitra hiandraikitra tanteraka ny Kianja BAREA Mahamasina”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Fermer