Songadim-baovao

DISTRIKAN’I BETAFO : Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka mitentina 21 tapitrisa Ar mahery

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray, ny farany herinandro lasa teo, izay nahatrarana vola sandoka mitentina 21 tapitrisa ariary mahery, tao amin’ny fokontany Masoandronarivo, kaominina ambanivohitra Antohobe, distrikan’i Betafo. Teo am-pisotroana izy no tra-tehaka. Roa alina, miisa 1058 ravina, mitentina 21.160.000 ariary ireo vola sandoka sarona teny aminy….

Ireo vola sandoka marobe, efa nokendrena haparitaka.

Tsy afa-bela ilay mpanaparitaka vola sandoka ! Ny alakamisy 28 jolay, tamin’ny 2 ora tolakandro,  naharay antso tamin’ny olona tsara sitrapo,  ny Zandarimariam-pirenena ao Betafo fa misy olona ahiahina ho manaparitaka vola sandoka, ao amin’ny fokontany Masoandronarivo, kaominina ambanivohitra Antohobe, distrikan’i Betafo.  Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary roa tao amin’ny Tobim-paritry ny zandarimaria Betafo, izay nobaikon’i ZFK1 Randrianasolondraibe Joachin Alexandre, Kaomandy vonjimaika ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Betafo, niaraka tamin’ny fiara nanao ny fanamarinam-baovao.  Rehefa tonga teny an-toerana, tratra teo am-pisotroana zava-pisotro, tao amin’ny toeram-pivarotana iray tao Masoandronarivo, i R. Donné. Niroso tamin’ny fakàna ny mombamomba azy ny zandary ary nanao ny fisavana koa. Vokany,  tratra teny aminy ny vola ravina sandoka Roa alina ariary miisa 1024, izay mitentina 20.480.000 ariary. Mbola nahitana vola 20.000 ariary sandoka, izay miisa 34 ravina, mitotaly 680.000 ariary koa, ny kitapo izay nentiny. Miisa 1058 ravina izay mitotaly 21.160.000 ariary, ireo vola tratra teny aminy.  Nosamborina avy hatrany izy ary nentina tao amin’ny Biraon’ny zandary tao Betafo.

Nohamarinin’ny Banky foibe

Ilay lehilahy voasambotry ny zandary.

Raha ny fanadihadiana, ireo vola sandoka kosa, nogiazana ary haseho eo anatrehan’ny Fitsarana. Taorian’ny fanamarinana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara tao Antsirabe,  voamarina fa sandoka avokoa ireo vola ireo, ary tsy ahitana marika famantarana  manokana tahaka ny vola tena izy. Nosavaina  koa ny tranon’i Donné, ny 30 jolay lasa teo, araka ny fahazoan-dalana hisava trano laharana faha-3753-A/PRA/22, ny 29 jolay 2022, nefa tsy nahitana na inona na inona intsony. Araka ny nambaran’I Donné, dia i Eric sy Ramax, izay mipetraka any Antsirabe, nefa tsy voafaritra mazava no tompon’ireo vola ireo. Akoatran’i Eric sy Ramax io,   nolazainy koa fa i Lalao sy i Malala,   efa nanaparitaka vola sandoka teo Antohobe ary io Eric io no isan’ny nitarika azy naka ireo vola ireo teny amin’i Ramax tao Antsirabe. Rehefa natao ny fisamborana an’i Lalao sy Malala, ny 30 jolay 2022, tamin’ny 4 ora maraina, dia tsy tratra tao an-tranony, tao Antohobe izy roa vavy ireo, izay voalaza fa mahita ny tranon’i Eric sy Ramax.

Fermer