Songadim-baovao

DISTRIKAN’ANTSOHIHY : Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa mpamerin-keloka

Notafihana andian-jiolahy miisa fito mitam-piadiana ny tanànan’Antanamarina, kaominina Ambodimandresy, distrikan’ Antsohihy, ny alin’ny sabotsy 15 jolay lasa teo. Afakomaly, lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa mpamerin-keloka, isan’ireo nandroba tamin’io fotoana io…

Tsy nisy tapa-bolana no nandraisan’ny Kap Tobiasy ny asany teto, efa nahitam-bokatra.

Notafihana andian-jiolahy miisa fito mitam-piadiana ny tanànan’Antanamarina, kaominina Ambodimandresy, distrikan’ Antsohihy, ny alin’ny sabotsy 15 jolay lasa teo.  Very tamin’izany ny omby miisa 11 izay, roa no raraka, ny iray novonoin’ny dahalo ary ny valo, no mbola karohina. Rehefa nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary dia very dia tao amin’ny fokontany Amboroho, kaominina sy distrikan’ Antsohihy ka tsy maintsy niverina. Ny alin’ny talata 3 Aogositra, tokony ho tamin’ny 9 Ora, dia naharay antso ny Kaomandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy fa mihaodihaody amin’ny fokontany Ambalarano, kaominina ambanivohitra Anahidrano, distrikan’ Antsohihy ireo dahalo ireo. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina teny an-kianja ny Kapiteny Komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, niaraka tamin’ny Lefiny nitondra Zandary miisa valo namonjy ny toerana nieren’ireo dahalo. Vokany, voasambotra noho ny fiaraha-mientana tamin’ny fokonolona i  Leninamana, sy Theodore izay mpamerin-keloka. Niaiky ny heloka vitany ireto farany taorian’ny fakàna am-bavany fohifohy, ka voalazan’izy ireo fa any Ambiahely, kaominina ambanivohitra Anahidrano distrika’ Antsohihy no nilafika ireo namany sasany.

Tetika nentin’izy ireo hanavotana aina sy handosirana ihany izany, ka tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, eo amin’ny 4 kilometatra tsy hiditra ny tànanan’ Ambiahely, dia niara-nitroatra nandositra ireto dahalo nanararaotra ny amboa nivovoa. Noho  Ambiahely anisan’ny fokontany mena, anatin’ny Kaominina ambanivohitra Anahidrano ary fieren’ny jiolahy, dia tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny am-pelatanana ny zandary,  nanenjehana azy roa lahy ireo ka lavon’ny bala vokatr’izany.

 Nampitandrina ireo dahalo ambony latabatra

Isan’ireo dahalo voasambotry ny zandary.

Ny alina io ihany anefa, voasambotra  koa i Lebenty 25 taona, mpamerin-keloka, zanak’i Lebano sy Sasy zokin’i Leninamana, tao Ambalarano, kaominina ambanivohitra Ambodimandresy, vokatry ny Tagnamaron’ny Fandriampahalemana. Fepetra noraisina, nampandrenesina ny Lehibe isan-tsokajiny. Nanaovana tatitra ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Antsohihy. Aorian’ny  fitsirihan’ny dokotera ny razana, vao hatolotra ny fianakaviana izany.

Mitohy ny « opération coup de poing » hamerenana ny fandriampahalemana ao amin’ny Faritra fehezina,  indrindra ny ao amin’ny Distrikan’Antsohihy. Mitohy, araka izany,  ny hazalambo ireto dahalo mbola anisan’ny tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Isan’izany i Todiasa, Radaka,  Tsarafidy sy Rahôly  Mitohy  ny fanadihadiana ka ny tobim-paritra Antsohihy no misahana  izany.

Miisa 19 izay mbola hiampy ny dahalo atao hazalambo hatreto, raha ny nambaran’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ny  Kapiteny Andriantsihoarana Tobiasy. Anisan’izany i Pierrot‚ Ndafany‚ Pasitera‚ Mandreniny na Razafy avy Ambodimabibo‚ Cisco avy ao Ambodimanga‚ Douze Matsaboribe‚ Rossilin sy Tsarafidy‚ Dix‚ Lalibe ao Ampomakoalahy‚ Legaro‚ Raimond sy Son Antsahonjo‚ Félix ao Bibaipaiky‚ Ndafeno‚ Dely sy Jaosidy ao Anjiajia‚ Lebagna ao Andranomena.  Nampitandrina ireo mikasa hanao « intervention » koa izy. « ianareo ireny no antsoina hoe « Dahalo ambony latabatra » ka ho tononiko eto ny anaranareo rehetra izay manao izany amin’ny manaraka »‚ hoy hatrany ny  Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety afakomaly.

Fermer