Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

AFROBASKET U18 – ZAZALAHY: Nomontsanin’ny Ankoay tamin’ny isa 102 no ho 41 ny Beninoà

Tafavoaka nanoloana ny ekipam-pirenen'i Bénin ny Ankoay zazalahy omaly, nandritra ny lalao voalohany amin'ny Afrobasket U18, tanterahina eto Madagasikara. Nampiseho ny firaisan-kina ny mpilalao teny ambony kianja, ary nitondra avo ny voninahi-pirenena amin'ny fampiantranona ity andiany ity. Nandresy mazava tamin'ny isa 102 no ho 41 ny Ankoay zazalahy.

Tontosa omaly ny lalao fifanintsanana voalohany amin’ny fifaninanana Afrobasket U18, ho an’ny Ankoay zazalahy. Nandavo ny ekipam-pirenen’i Benin tamin’ny isa mavesatra 102 no ho 41 ny Ankoay zazalahy tamin’izany lalao voalohany izany. Hita taratra nandritra ny lalao fa manana ny lenta ny mpilalao Malagasy, sy hoavin’ny basikety rahatrizay. Nanatombo ny Ankoay nanoloana ny Béninois, indrindra teo amin’ny fanafihana. Nitarika hatrany ny ekipam-pirenena Malagasy nandritra ny lalao na dia niezaka nanenjika ny isa teny amin’ny solaitrabe ny Bénin. 28 no ho 3 ny isa teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany, 49 no ho 19 tamin’ny ampahefa-potoana faharoa, 77 no ho 27 tamin’ny ampahefa-potoana fahatelo, 102 no ho 41 ny isa nisarahan’ny roa tonta farany. Isan’ny mpilalao namiratra i Mathias M’Madi, « meneur » ny Ankoay, nahatafiditra isa 26 nandritra ny lalao nihaonana tamin’i Bénin. « Nahavita lalao tsara ny ekipa, ary iny fandresena iny vao maika hampitombo indray ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpilalao, mila mitandrina hatrany anefa amin’ny lalao manaraka », hoy ny fanazavan’i Mathias M’Madi nandritra ny valan-dresaka nifanaovana taminy. « Mbola misy ihany ny harenina, ary ny mpanazatra tsy mety afa-po izany » hoy ny nambaran’ny mpanazatra Aimé Alain Marcel. « Hanarina ireo tsy nety madinidinika mandritra ny fanazaran-tena anio, sy ho fiomanana amin’ny fihaonana amin’ny Algérie rahampitso. Ny ekipam-pirenen’i Algérie sy ny Sénégal izay miandry ny Ankoay dia isan’ny ekipa goavana avokoa », hoy hatrany ny fanazavany. « Nanatombo ny mpifanandrina teo amin’ny vatana, fa tsy niraviravy tanana ny mpilalaon’ny Bénin, ireny ny vokatra ary vonona hatrany izahay hanarina ny lesoka rehetra amin’ny lalao manaraka » hoy i Lamatou Tegbe, mpanazatra ny ekipam-pirenen’i Bénin.

Tetsy ankilany, nanamafy ny mpanazatra Mémé fa « mila manao lalao fitsapana maro amin’ny ekipa avy any ivelany ny Ankoay aorian’ny fifaninanana raha te hampiakatra avo ny lentan’ny basikety eto Madagasikara. Ny Ankoay zazalahy ankehitriny izay isan’ny manana mpilalao tsara maro, indrindra ny ara-batana izay ahitana ireo mpilalao mirefy mihoatra ny 1m90 ».

Hihaona amin’i Ouganda ny Ankoay zazavavy anio

Efa vonona tanteraka ihany koa ny ekipam-pirenena Ankoay zazavavy, hiatrika ny lalao Afrobasket U18, lalao fifanintsanana voalohany azy anio. Ny ekipam-pirenen’i Ouganda no hihaona amin’ny Ankoay zazavavy anio amin’ny 4 ora sy sasany, ao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe. Ao anatin’ny vondrona A ny Ankoay zazavavy, miaraka amin’ny ekipam-pirenen’i Algérie, Mali, ary i Ouganda.

Fermer