PolitikaSongadim-baovaoToekarena

SOLIKA ILAHARANA ERAN’NY TANANA: “Ampy tsara ny tahiry, Kaompania roa no misedra olana”, hoy ny OMH

Filaharambe no hita erak’ireo tobin-tsolika maro teto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra hafa koa, araka ny loharanom-baovao. Voalaza fa ny tsy fisian’ny solika no mahatonga izany. Ny teo anivon’ny OMH anefa efa nanambara fa ampy tsara ny tahiry. Inona àry izany no olana ? Sa aiza no olana ? Nitondra fanazavana ny Tale Jeneralin’ny OMH omaly tao amin’ny Fahitalavi-pirenena.

Manomboka misahotaka ny rehetra. Fanakorontanana tokoa ve sa antony hafa ? Tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia sahirana ny mpampiasa fiara rehetra vao mahita solika eny amin’ireo tobin-tsolika mahazatra eto an-drenivohitra ka hatrany amin’ny Faritra maro. Tsy misy ny famatsiana solika, araka ny angom-baovao, hany ka tsy ahitana solika ny ankamaroan’ireo tobin-tsolika tokony hamatsy ny mpanjifa. Ankoatra ireo mpampiasa fiara tsotra, anisan’ny tena lasibatra amin’izao toe-javatra izao ireo fiara fitaterana entana sy fitateram-bahoaka. Tsy vitsy ireo fiara voatery nody mialohan’ny fotoana noho ny tsy fahitana gazoala anohizana asa. Ireo fiara mandeha any amin’ny Faritany koa dia ao anatin’ireo nisedra olana. Anatin’ny lojika tanteraka izany tranga rehetra izany satria singa fototra mampihodina ny fiara ny solika. Mazava ho azy, misy fiantraikany goavana amin’ny lafiny sosialy sy ara-toekarena koa ny tranga toy izao satria mihitsoka avokoa ny asa aman-draharaha maro tokony hampidi-bola. Noho izany indrindra no mahatonga ny mpanara-baovao sasany ho alaim-panahy hiahiahy ambadika fanakorontanana ao anatin’izao zava-mitranga izao.

Gazoala 8 400 000 litatra

Nitondra fanazavana omaly ny Tale Je Jeneralin’ny OMH, Jean-Baptiste Olivier, manoloana ity toe-javatra ity. Nohamafisiny fa ampy tsara ny tahirin-tsolika, raha ho an’ny eto Antananarivo. Hatramin’ny omaly, dia 8 400 000 litatra ny gazoala ao amin’ny fanatobiana solika eny Alarobia sy Soanierana. Ampy hatrany amin’ny 14 andro amin’ny filàna andavanandro eto Antananarivo izay tahirin-tsolika izay, raha ny fanazavana. Ny olana nambaran’ny Tale jeneralin’ny OMH kosa dia ny fisian’ny tsy fifandanjan’ny tahiry eo amin’ireo kaompanian-tsolika efatra eto amintsika. “Misy kaompanian-tsolika roa somary sahirana amin’izao fotoana izao, ary misy kaompania roa manana tahiry ara-dalàna”, hoy izy. Raha ny nambarany dia mety nisy hadisoana teo amin’ny fijerena mialoha ny tsena nataon’ireo Kaompanian-tsolika roa ireo. Tsiahivina fa tany amin’ny volana jona dia efa nandeha be ny resaka momba ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tamin’iny volana iny, araka izany, dia niakatra ambony ny fanjifana teto amin’ny firenena, indrindra taty afovoan-tany. Antony nahatonga izany ny fanangonana solika nataon’ny olona noho ny resaka nandeha.

Marihina fa ireo kaompania roa ireo dia tsy hoe ritra tanteraka fa ambany ny tahiry. Hany ka rehefa mamatsy eny amin’ny “stations” izy ireo dia somary ambany noho ny famatsiana andavan’andro no atao.  Matetika, araka izany, amin’ny hariva dia efa lany ny solika amin’ireo kaompania roa ireo. “Ny stations sasany na tapitra ny hariva ny solika, na tapitra ny ampitso maraina”, hoy ny fanazavana. Rehefa lany anefa ireo dia lasa any amin’ireo kaompania roa manana solika ara-dalàna ny olona no mihazakazaka ka mahatonga ny filaharambe. Araka ny fantatra dia efa nampivorian’ny OMH ireo kaompanian-tsolika efatra eto amintsika nijerena vahaolana amin’izao zava-misy izao.

Fermer