PolitikaSongadim-baovao

FITAKIANA FIKAONANDOHAM-PIRENENA : Namaly ny mpanohitra ny Loholona Ndremanjary Jean André

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fitakian’ny mpanohitra ny hirosoana amin’ny Fikaonandoham-pirenena ny Loholona Ndremanjary Jean André, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Firenena tan-dalàna i Madagasikara, hoy izy, ary isika dia miezaka manaja an’izany. Nambarany fa tsy voalaza ao anaty Lalàmpanorenana mihitsy ny fanaovana fikaonandoham-pirenena takian’ny mpanohitra.

Notsiahiviny ny tenin’ny Mpitondra tenin’ny RMDM izay nilaza fa ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena dia hidirana amin’ny tetezamita. Nolazain’ny mpanohitra koa fa tsy azo itokisana ny Ceni. “Hitady anjely ve isika ho apetraka ao amin’ny Ceni? Tsy maintsy olombelona no atao eo. Kanefa ny olombelona tsy mbola nanao ny asany dia tsy azo tonga dia tsaraina”, araka ny fanehoankeviny. Notsiahiviny fa efa nitantana ny Ceni avokoa na ny olon’ny Fitondrana teo aloha ihany koa aza. Ankehitriny, tsy misy antony hanenjehana ny Ceni amin’ny endriny amin’izao fotoana satria lalàna efa teo no najain’ny Fanjakana tamin’ny fametrahana ireo mpikambana ao aminy, sy ireo mpikamban’ny HCC. Nahitsy, araka izany, andriamatoa Ndremanjary Jean André raha nilaza fa tsy misy ilàna an’izany fikaonandoham-pirenena izany, raha amin’io antony hangatahan’ny mpanohitra azy io.

Nasiany resaka manokana koa ny tolo-kevitry ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina milaza ny tokony hisian’ny fikaonandoham-pirenena hanitsiana ireo lesoka tamin’ny fifidianana farany teo. “Izay tenenin’ny Eoropeanina ve izany no tena zava-misy eto? Tonga eto ny Eoropeanina hanohana sy hanampy antsika amin’ny fampandrosoana fa tsy hanome baiko amin’izay tokony hataontsika”, hoy izy. Eto Antananarivo no fandraisana fanapahankevitra momba ny politikan’i Madagasikara fa tsy any ivelany, hoy hatrany ny Loholona Ndremanjary Jean André.

Fermer