PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIRENENA: Tsy misy antony hirosoana amin’ny fikaonandoha izarazarana seza

Nanamafy ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha naneho hevitra mahakasika ny toe-draharaha politika ankehitriny. Nambarany fa tsy misy krizy politika eto Madagasikara, ary tsy misy mihitsy antony hanaovana fikaonandoham-pirenena izay kasain’ny mpanohitra hidirana amina fiaraha-mitantana.

Noho ny fisiana krizy politika matetika no mahatonga fiaraha-mitantana eo anivon’ny Firenena. Krizy aorian’ny firosoana amin’ny fifidianana, ohatra, na firodanan’ireo Andrimpanjakana demokratika izay napetraka tamin’ny alalan’ny fifidianana. “Izany  ve no zava-misy amin’izao fotoana izao? Tsia”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra Tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany fa Fanjakana mijoro ara-dalàna no misy ankehitriny. Ny Antenimiera roa tonta koa dia mijoro ara-dalàna, miaraka amin’ireo Andrimpanjakana isan-tsokajiny. Tsy misy mihitsy noho izany tokony hidirana anaty fiaraha-mitantana. Etsy ankilany, mbola nohamafisiny fa tsy krizy politika no misy eto Madagasikara ankehitriny fa krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy, izay iarahan’izao tontolo izao miaina. Eo anatrehan’izany, tsy vahaolana ny fikaonandoham-pirenena izarazarana seza, hoy izy. Vahaolana ara-toekarena no ilaina, ary izany dia tsy isika irery no mitady azy, raha ny nambarany hatrany. Raha tsiahivina, vao aingana no nanazava ny teo anivon’ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) fa mila mitady vahaolana maika isika mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana manerantany, vokatry ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19 sy ny Ady any Okraina.

Notsiahivin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly fa tao anatin’ny roa taona isika dia tsy nisy famokarana mihitsy teto amin’ny firenena, noho ny valanaretina Covid-19. Vao nanomboka fihibohana isika dia nikatona daholo ny ankamaroan’ireo orinasa. Tsy tokony ho tonga amina famendrofendroana be fahatany araka izany ny mpanohitra amin’ny hoe nikoroso fahana ny fiainam-bahoaka tato anatin’ny roa taona farany.

Nambaran’ity tomponandraikitra ity koa fa tokony ho efa ny fiomanana amin’ny fifidianana no imasoan’ny tsirairay ankehitriny. Dimy (5) volana, hoy izy, dia higadona ny taona 2023. Raha toa ka tsy mety amin’ny vahoaka intsony ny Fitondrana ankehitriny dia afaka mitsara izany amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato ny vahoaka. Fotoana ihany koa ny fifidianana hahafahan’ny mpanao politika mitondra soso-kevitra na vinam-piarahamonina mety ho tsaratsara kokoa handresen-dahatra ny mpifidy.

Politikam-pitsitsiana

Ankoatra izay, nanoloana ny fanehoan-kevitry ny « Groupe des Experts Nationaux » (GEN), ny herinandro teo, izay niantso ny Fanjakana hiroso amin’ny fampiharana ny Politikam-pitsitsiana, niaraka tamina tolo-kevitra maromaro, dia nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly, fa vao tonga teo ny Fitondrana ny Filoha Andry Rajoelina dia nametraka ny politikam-pitsitsiana. Isan’ny asa efa natao ny fanafoanana ireo “organisme rattaché” sasany izay isan’ny andaniam-bolam-panjakana betsaka, indrindra eo amin’ny fampitam-bola mankany amin’ireny rantsamangaika ireny. Misy amin’ireny rantsamangaikana Minisitera ireny no natsangana fotsiny kanefa tsy misy asany satria efa ataon’ny Minisitera foibe ihany ny asany, hoy ny fanazavana. Toromarika, araka izany, no napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny hanafoanana azy ireny. Tafakatra 1 000 miliara ariary no vola lany amin’izay fampitam-bola mankany amin’ny rantsamangaika izay, araka ny tarehimarika. Nahavita fitsitsiana goavana be, noho izany, ny Fanjakana malagasy rehefa nanafoana Rantsamangaika.

Asa efa natao koa ny fanesorana mpiasam-panjakana, izay tsy miakatra birao, fa mandray “bon de caisse” ary mandray karama kanefa tsy miasa akory. Toromariky ny Filoha koa ny fanesorana azy ireny ka mba izay mpiasa ilaina ihany no tazonina. Tsy nasiana intsony koa ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, afatsy ny amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ihany ary ny fitandroana ny filaminana. Matetika mantsy dia izay havakavana ihany no voaray amin’ireny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireny. Avy eo tsy miasa akory, izay indrindra no nametrahana ny rindrambaiko Augure itantanana ny mpiasam-panjakana. Ireto farany izay tsy tokony hipetrapetraka fotsiny satria volam-bahoaka no hohaniny, hoy ny Minisitra. Na izany aza, afaka mandinika ny mampety na tsia ireo toromariky ny GEN ny Filoha sy ny Praiminisitra, hoy hatrany izy.

Fermer