
Manokana Covid-19
COVID-19: Sitrana ny 13 709 tamin’ireo 14 696 efa nahitana tsimokaretina
Mitombo hatrany ireo olona sitrana eto amintsika, midina manaraka izany kosa ny taham-pahazoana coronavirus, aorian’ny fitiliana atao isan’andro, eto Analamanga sy any amin’ny faritra hanaovana fitiliana covid-19. Raha ny totalin’ireo efa sitrana dia mahatratra 13 709, tamin’ireo marary efa voatily hatramin’izay, mahatratra 14 696. Tamin’ny antontanisa farany, nisy lavon’ny valanaretina miisa telo…
Mitohy hatrany ny fitiliana eto amintsika, na amin’ny alalan’ny PCR izany, na ilay teknika GenExpert atao any amin’ny faritra misy covid-19. Hita mihena hatrany ny taham-pahazoana io tsimokaretina coronavirus io, raha ny antontanisa avoakan’ny CCO. Raha ny taham-pahasitranana eto amintsika, dia efa maherin’ny 93%, raha oharina amin’ireo efa voan’ny covid voatily hatrany am-boalohany izay mitotaly 14 696 amin’izao fotoana, taorian’ny antontanisa farany. Ny totalin’ny sitrana ankehitriny dia mahatratra 13 709. Raha ny tarehimarika vaovao navoakan’ny teo anivon’ny Foibem-pibaikoana ny covid-19 indray, fantatra fa miisa 104 ireo tranga vaovao hita farany. Nitombo 23 isa ireo sitrana rehetra, izay nahazoana io totaly 13 709 io. Niampy 78 ireo olona mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana, ka mahatratra 800 izy ireo. Nihena 20 ireo marary mafy, ka tonga 48 amin’izao fotoana. Nitombo telo indray ny lavon’ny covid, ka lasa 187 izy ireo amin’izao fotoana. Ny fitiliana vita nahazoana ireo tranga vaovao dia miisa 104. Ny isan’ny fitiliana PCR tamin’izany dia 414, raha 89 ny an’ny teknika GenExpert. Raha ny fitambaran’ny fitiliana efa vita hatramin’izay dia mahatratra 56 617 (PCR), ary 5 561 (GenExpert).
Tranga vaovao, sitrana sy marary mafy
Faritra maromaro no nahitana ireo olona nahitana coronavirus tao anatin’ny 24ora farany, ka tamin’ireo tranga vaovao miisa 104, ny 50 isa tamin’izany dia teto Analamanga avokoa. Nisy ny sitrana miisa enina, ary nisy olona roa lavo teto. Faritra Vakinankaratra nisy tranga vaovao voatily miisa 12, nisy koa sitrana miisa telo. Faritra Bongolava tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa roa. Itasy tsy nahitana tranga ihany koa, saingy nisy olona iray sitrana. Alaotra Mangoro nisy olona iray nahitana coronavirus, sitrana miisa roa tao Ambatondrazaka. Matsiatra Ambony nisy tranga vaovao miisa roa, ary nisy sitrana vaovao miisa dimy. Boeny nahitana tranga vaovao efatra, ary sitrana miisa roa. Sofia nahitana tranga vaovao miisa folo, tsy nisy ny sitrana vaovao. Anôsy nisy tranga vaovao iray, tsy nisy sitrana sy nodimandry. Menabe nisy tranga miisa roa, tao Miandrivazo sy Morondava. Nisy koa sitrana iray. Faritra Sava nisy tranga miisa 19, k any 13 tao Sambava, roa tao Andapa, telo tao Vohemar, ary iray tao Antalaha. Diana nisy tranga vaovao miisa telo, sitrana iray, ary lavon’ny covid iray. Ho an’ireo marary mafy miisa 48, ny 31 eto Analamanga, ka ny 19 ao Befelatanana, ny fito ao amin’ny HJRA, ny dimy etsy amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka. Iray ao Vakinankaratra, fito ao Matsiatra Ambony. Ahitana iray ao Alaotra Mangoro, efatra ao Atsimo Andrefana, iray ao Morafeno Toamasina, iray ao Ihorombe, ary ny roa any Diana.