Songadim-baovao

ANALAROA ANJOZOROBE : Lavon’ny balan’ny zandary i Lehaja jiolahy naman’i Iarisy

Tsy afa-bela fa lavon’ny balan’ny zandary i Lehaja tanana ankavanan’ny naman’i Iarisy, omaly tamin’ny 5 ora sy sasnsany maraina. Hita mihaodihaody sy manery ny mponina ao Amboasary, Fokontany Ambohimanganjafy, Kaominina ambanivohitra Analaroa, Distrikan’Anjozorobe sy Maromehy, Fokontany Mangatany Avaratra, Kaominina Sadabe, Distrikan’i Manjakandriana izy, mba handoa vatsy ho an'ireo dahalo, izay miery any anaty ala…

Eny an-kianja ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale.

Nahazo angom-baovao ireo Zandary fa misy jiolahy iray atao hoe Randriamady Hajasoa, antsoina hoe Lehaja, tanan-kavanan’i Iarisy, izay jiolahy nitarika ny fandorana olona 33 tany Ambolotarakely, no hita mihaodihaody sy manery ny mponina ao Amboasary, Fokontany Ambohimanganjafy, Kaominina ambanivohitra Analaroa, Distrikan’Anjozorobe sy Maromehy, Fokontany Mangatany Avaratra, Kaominina Sadabe, Distrikan’i Manjakandriana, mba handoa vatsy ho an’ireo dahalo, izay miery any anaty ala, satria tratry ny hazalambo hatrany Ankazobe sy Antanetibe Anativolo. Raha vao nahita ireo Zandary tonga izy dia vaky nandositra tany anaty ala, sady nitifitra avy hatrany ka nifanenjehana. Tao anatin’ny kizo iray tao Amboasary Ambohimanganjafy izy no namahatra ary nanohy nitifitra. Namaly tifitra  koa ireo zandary, ka lavo tamin’izany i Lehaja omaly, tamin’ny 5 Ora sy sasany maraina. Notsirihina ny razana ka tratra teny aminy, ny basy vita gasy nampiasainy sy sabatra iray ary bala efa nipoaka. Voamarin’ireo fokonolona fa i Lehaja, dia jiolahy mpiaraka amin’i Iarisy, mpanao fakana an-keriny sy mpangalatr’omby ary vao tamin’ny taona 2020 no nivoaka ny fonja, raha voasazy noho ny fakana an-keriny miharo habibiana. Voafaritra araka ny andininy faha-328 sy 329 ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana malagasy (Code pénal malagasy) ny zo sy fahafahana miaro tena nampiasain’ireo zandary (Légitime défense). Ary koa ny andininy faha 121 ao amin’ny Didim-panjakana lah 63-253 natao ny 9 mey 1963, mamaritra ny asan’ny Zandarimaria, no ananan-jo sy nahafaha-nampiasa ny fitaovam-piadina eo am-pelatanana (Droit d’usage des armes). Nankasitraka ity vokatra ity ireo vahoaka sy manampahefana any an-toerana ary mbola mirary ny hitohizan’ny ezaka, ataon’ny Zandarimaria any an-tsehatra. Nanambara koa ny Kapiteny Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Imerina-centrale fa tsy maintsy ho sarona avokoa ireo nahavanon-doza, mba hilaminan’iny faritra Anjozorobe iny. Nohamafisina  koa ny fiarovan-tenan’ireo Zandary eny an-kianja, manoloana ny ambana rehetra.

Mihamafy ny hetsika hazalambo an’i Iarisy sy ny forongony amin’iny faritra mifanila Anjozorobe,  Ankazobe,  Ambohidratrimo iny. Efa tafakatra 30 mahery ankehitriny ireo olona voasambotra raha 6 no lavo. Mbola any an-tsehatra ireo andian-tafika, ahitana Zandary sy Tafika manatanteraka ny hazalambo ary tsy hitsahatra izany raha tsy sarona ireo olon-dratsy nahavanon-doza rehetra. Andiana Zandary matihanina amin’ny famotorana sy fikarohana jiolahy, izay tarihin’ny Kapiteny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina-centrale no misahana ny hetsika any amin’ny distrikan’Anjozorobe, izay nahitam-bokatra, omaly.

Fermer