Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AFROBASKET U18 – ANKOAY ZAZALAHY: Tafita amin’ny lalao famaranana, handray anjara amin’ny amboara erantany 2023
Fandresena ho an’i Madagasikara! Tafita any amin'ny lalao famaranana hiadiana izay ho tompondakan'i Afrika, taranja basikety U18 ny Ankoay zazalahy. Nandresy ny Maliana tompondaka farany tamin'ny isa 84 no ho 81 ny Ankoay tamin'izany. Tetsy ankilany, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19 amin'ny taona 2023 ihany koa ny Ankoay, noho iny fandresena omaly iny.
Tafita hiatrika ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika « Afrobasket U18 » ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy. Nandresy an’i Mali tamin’ny isa 84 no ho 81, tamin’ny lalao manasa-dalana omaly notontosaina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nanome ny tsara indrindra avy aminy ireo mpilalao rehetra, nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpanazatra tamin’ireo toromarika isan-karazany nandritra ny lalao. Ny Malagasy no nanokatra ny isa teny amin’ny solaitrabe, izay nampisy hery sy nahavelom-bolo ny ekipam-pirenena. Nanatombo tamin’ny tifi-davitra isa 3 ny Ankoay zazalahy nanoloana ny ekipa goavan’ny Maliana. Nofehezin’ny Ankoay ny lalao tamin’ny ampahefa-potoana roa voalohany. Vokany nahavita nampisy ny elanelana isa 8 hatramin’ny 12 ny Malagasy.
Mafy ny fihaonana teo amin’ny ekipa roa tonta, tafavoaka tamin’ny isa 25 no ho 18 ny Ankoay teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany. Nifamaliana hatrany ny fanafihana, tsy nanaiky lembenana ny maherifon’ny Malagasy, nitarika tamin’ny isa 45 no ho 38 nanoloana an’i Mali ny Ankoay teo amin’ny fialan-tsasatra. Isa tery dia tery kosa no nisarahan’ny ekipa roa tonta tany amin’ny ampahefa-potoana fahatelo 64 no ho 62, nitarika ihany ny Ankoay. Tsy nanome irika ny Maliana ny Ankoay tany amin’ny ampahefa-potoana farany, izay isany nampitaitaina ny maro izany raha efa nitarika tamin’ny isa 77 no ho 69 ny Maliana, 3 minitra tsy ahataperan’ny lalao. Nahavita nanatsimbadika ny isa ny Ankoay tamin’ny alalan’ireo tifi-davitra isa 3, nanao hadisoana matetika i Mali izay tombony ho an’ny Malagasy, 84 no ho 81 no nisarahana.
« Tsy mora ny niatrehina ny lalao nihaonana tamin’i Mali, nahavita nitarika ny isa hatrany izahay eny na dia nisy fotoana aza somary nisy lesoka kely teny an-tenantenany teny », hoy ny nambaran’i Mathias M’Madi, meneur an’i Ankoay taorian’ny valandresaka nifanaovana taminy. Tetsy ankilany, hoy ny mpanazatra Mémé « tsara fanombohana ny Ankoay nanoloana ny andrarezin’ny Afrobasket aty Afrika, nahavita nandavo ity farany isika omaly izay isany zava-dehibe ho an’i Madagasikara ». Nanamafy hatrany ity farany fa, « tombony ho an’ny Malagasy ny hafetsifetsena sy ny hakingana ary indrindra ny teknika. Nampiseho ihany koa isika fa lalao ho an’olona maro ny basikety, izay isany hery ho an’ny Ankoay izany ».
Tafita ho any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany U19 ny Ankoay
Nahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety ho an’ny latsaky ny 19 taona, hatao amin’ny 2023 ny Ankoay, taorian’ny fandresena nanoloana ny ekipam-pirenen’i Mali tamin’ny lalao manasa-dalana omaly. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Afrobasket i Madagasikara no hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany. I Madagasikara araka izany no hisolotena an’i Afrika miaraka amin’i Ejipta amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany. « Faly sy mirehareha aho fa tafita ho an’ny fiadiana ny amboara eran-tany », hoy i M’Madi. « Tafita isika Malagasy, tafita i Madagasikara hiatrika ny lalao voalohany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany », hoy ny mpanazatra Mémé nanamafy. Tsara ho fantatra fa, hotanterahina amin’ny alahady 14 aogositra izao, ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’ny 5ora sy sasany ny lalao famaranana hiadiana izay ho tompondakan’i Afrika (Afrobasket U18). Ny ekipam-pirenen’i Ejipta no hihaona amin’ny Ankoay amin’izany lalao famaranana izany.
Heriniaina S. (Mpianatra asa)



