Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AFROBASKET U18 – 2022: Mpilalao mendrika sy nahatafiditra baolina betsaka indrindra i M’Madi Mathias
Nahazo ny amboaran'ny mpilalao mendrika indrindra tamin'ny fifaninanana Afrobasket U18, natao teto Madagasikara i Mathias. Isany nitondra ny Ankoay zazalahy tany amin'ny lalao famaranana, ary nahafahan'i Madagasikara nahazo ny tapakila ho any amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2023, ho an'ny latsaky ny 19 taona.
Isan’ireo mpilalao nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ny Afrobasket U18 i Mathias M’Madi, meneur ny Ankoay zazalahy. Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra (M.V.P.) tamin’ity andiany ity ny tenany, izay nahazo salanisa 22.2pts, 2.4rebonds ary 5.4 assists isaky ny lalao natrehiny. Nilaza ny tenany tamin’ny valandresaka nifanaovana taminy fa ny lalao teo amin’ny ampahefa-dalana nihaonana tamin’ny Ginea no tena nanamarika azy, izay nahazoany 28pts ary 7 assists. « Faly ny tenako tamin’ity amboaran’ny MVP ity, fa zava-poana anefa izany raha tsy teo ireo mpiara-milalao amiko sy ireo mpanazatra » hoy i Mathias nanamafy. Vao niandoha ny fifaninanana dia efa hita taratra ny fahaiza-manao sy traikefa nananan’i Mathias, meneur ny Ankoay izay mirefy 1m94. Mpilalao basikety ao amin’ny Elan Chalon any Frantsa ny lehilahy izao voaantso mandrafitra ny ekipam-pirenena izao. Tetsy ankilany, nahazo ny amboaran’ny mpampidi-baolina betsaka indrindra ihany koa ny tenany, izay miisa 125 tamin’ireo lalao enina natrehiny. Tafiditra tao anatin’ireo mpilalao 5 voalohany tamin’ny fifaninanana (5 majeur du tournoi) i Mathias, nanoloana an’ireo Ejiptiana roa Belal Elshakery, Fahmi Fhami, ilay Gineana Ibrahima Diallo ary ilay Maliana Malick Diallo.
Tsy nitsanga-menatra ny Ankoay nanoloana ny Faraona an’i Ejipta
Tontosa ny alahady lasa teo ny lalao famaranana ny fifaninanana hiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety zazalahy latsaky ny 18 taona (Afrobasket U18). Nahavita dingana tsara ny Ankoay zazalahy tamin’ny Afrobasket U18 notanterahina teto Madagasikara, nahita fandresena efatra ary tsy fahombiazana roa, lalao famaranana ny iray tamin’ireo lalao enina natrehina. Ny Ankoay zazalahy izay resin’ny Faraona an’i Ejipta tamin’ny isa 81 no ho 54 tamin’ny lalao famaranan’ny Afrobasket U18 Fiba 2022. « Resy nanoloana ny ekipa goavana aty Afrika isika. Tsy azo atao ambanin-javatra ny zavatra vitan’ny Ankoay, nanome ny tsara indrindra izahay, ary isaorana ihany koa ny Malagasy rehetra nanohana » hoy ny mpanazatra Aimé Marcel Randria. Nanambara i Mahias fa » tsy afaka nanampy firy ny mpilalao ny tenako noho ny arerahana, hany ka lasa tsy nahomby teo amin’ny tifitra natao « . Tombony ho an’i Ejiptiana ny fahaiza-manao teo amin’ny fiarovan-tena, sy ny hakingan-tsaina hoy hatrany ny fanambarany.
Tsara ho fantatra fa, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana hiadiana ny amboara eran-tany, ho an’ny latsaky ny 19 taona ny Ankoay zazalahy, izay sambany teo amin’ny tantaran’ny basikety teto Madagasikara. Hanampy ny ekipam-pirenen’i Ejipta hisolotena an’i Afrika araka izany i Madagasikara amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ny taona 2023. Nanamafy i Mathias fa, « tratra ny tanjona, dia ny hiakarana any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany , ary hiezaka hanome nybtsara indrindra avy amiko hatrany aho ho voninahitr’i Madagasikara ». Marihina fa laharana faharoa i Madagasikara tamin’ny fifaninanana Afrobasket U18, ary nahazo medaly alimo. Ny ekipam-pirenen’i Mali no eo amin’ny laharana fahatelo, nahazo medaly volafotsy, ity farany izay resin’ny Ankoay teo amin’ny manasa-dalana tamin’ny isa 84 no ho 81.
Dingana tsara no vitan’ny Ankoay zazavavy
Tetsy ankilany, nanome ny tsara indrindra avy aminy ny Ankoay zazavavy nandritra ny Afrobasket U18, ho an’ny sokajy zazavavy notontosaina tao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe. Tonga tany amin’ny dingan’ny manasa-dalana ireto farany tamin’ny fifaninanana rehefa nampitaintaina ny Malagasy tamin’ny lalao ampahefa-dalana, tafavoaka tamin’ny isa 61 no ho 58. Lavon’ny ekipam-pirenen’i Ejipta teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny Ankoay zazavavy, ary resin’i Angola teo amin’ny lalao fiadian-toerana. Laharana fahefatra araka izany ny Ankoay zazavavy tamin’ity andiany ity. Ny ekipam-pirenen’i Mali no nandrombaka ny medaly volamena ny Afrobasket U18 ho an’ny sokajy, ny Faraona an’i Ejipta no eo amin’ny laharana faharoa nahazo medaly volafotsy, ary i Angola no eo amin’ny laharana fahatelo nahazo ny medaly alimo.
Heriniaina S. (Mpianatra asa)



