Songadim-baovaoSosialy
FARITRA VATOVAVY SY MATSIATRA AMBONY : Kaominina roa nahazo fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio
Fotodrafitrasa natao mba hamaliana ny filàn’ny mponina miisa 4.447 isan’andro eo amin’ny lafiny famatsian-drano fisotro ao amin’ny Kaominina Andonabe, Faritra Vatovavy sy Andrainjato ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony no notokanana ny herinandro lasa teo. Araka ny tatitry ny Unicef, ny fahazoana rano fisotro madio sy fanadiovana dia afaka mamonjy aina ary tena ilaina eo amin’ny fahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy. Eto Madagasikara anefa, dia ny 34 isan-jaton’ny mponina any ambanivohitra ihany no mahazo rano madio, ary amin’ireo 83 isan-jato, ny 6 isan-jaton’ny mponina ihany no afaka mahazo fotodrafitrasa ara-pahasalamana voakarakara tsara, araka ny tatitry ny Unicef hatrany.
Fotodrafitrasa nohatsaraina sy nohamafisina mba hifanaraka amin’ny filan’ny mponina, araka izany, no napetraka ao amin’ireo Kaominina roa ireo, izay ahitana ny tohodrano vaovao fitahirizana rano, toeram-pikarakarana rano, fitahirizana rano, fantson-drano, ary koa efitra fidiovana, kabone fivoahana, fitaovam-panasana tanana sy rano ho an’ny daholobe. Ny fotodrafitrasa sasany kosa dia mampifandray ny rafi-drano eo an-toerana mamatsy ny eny anivon’ny sekoly sy ny tobim-pahasalamana.
Tetikasa RANO WASH
Tsara ho fantatra fa anisan’ireo kaominina 250 tohanan’ny Usaid amin’ny alalan’ny tetikasa RANO WASH eo amin’ny fahazoana rano sy fidiovana amin’ny tontolo ambanivohitra ireo kaominina roa ireo. Tetikasa izay maharitra enim-bolana, mitentina 30 tapitrisa dolara, mikendry ny hanamafisana ny fampitoviana ny fahazoana rano fisotro madio sy fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao anatin’ny Faritra manerana ny Nosy.
Tafiditra tao anatin’ny hetsika natao tao amin’ny Kaominina Andonabe ihany koa ny fahazoana ny sata «Afaka Tanteraka amin’ny Fangerena Ankalamanjana ». Faharoa amin’ny Kaominina nahazo izany sata izany Andonabe ao amin’ny Faritra Vatovavy, mba ho ohatra tsara arahin’ny Kaominina hafa sy ho modely ho an’ny tanàna hafa. Ireo ezaka rehetra ireo dia mifandrindra an-dalana amin’ny fandaharanasa « Madagasikara Madio » entina manafoanana ny fangerena ankalamanjana manerana ny Nosy.
Natao ny 12 aogositra 2022 ny lanonana ofisialy ho fitokanana ny fotodrafitrasa famatsiana Rano Fisotro madio ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Andonabe ao amin’ny Faritra Vatovavy sy Andrainjato ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Tonga nanotrona izany Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.




