PolitikaSongadim-baovao
FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA – MAHAJANGA: “Krizin’ny mpanao politika te hahazo seza no misy eto Madagasikara”
Tsy mitombina ny filazana fa hidina ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika raha toa ka tonga eo amin’ny Fitondrana ireo milaza azy ho mpanohitra amin’izao fotoana, hoy ny Depiote Nina Rahantanirina, izay Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga. Ny tenany izay nanamafy fa fitiavan-tseza no mibaiko ny mpanao politika sasany ka mahay miresaka sy mamita-bahoaka.
Fandotoana sy fanaratsiana rano fotsiny ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika sasany eto amintsika rehefa miresaka mahakasika ny asa vitan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hoy ny Depiote Nina Rahantanirina, izay sady Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritanin’i Mahajanga, raha nitondra ny fanehoan-keviny omaly. Mitohy amin’ny fampandrosoana ataony ny Fitondrana tarihin’ny Filoha, hoy izy, ary mitady vahaolana amin’ireo toe-javatra manahirana ny vahoaka. Miantso ny vahoaka ho tony, araka izany, ity tomponandraikitra ity. Marina, hoy izy, fa sarotra ny vidim-piainana ankehitriny. Tsy ny Fitondrana Rajoelina anefa, hoy izy, no nahatonga izany fa olana eo amin’ny sehatra iraisampirenena mihitsy. Na dia teo aza anefa ny olan’ny Covid-19 sy ny ady any okraina, dia hita fa mbola tena mijoro hatrany mitady vahaolana ho an’ny fampandrosoana ny Filoha. Porofon’izany ny fisian’ireo fotodrafitrasa maro dia maro manerana ny Nosy, hoy izy.
Eo anatrehan’ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra ankehitriny, dia tsy nihambahamba ny tenany nilaza fa “mandainga izay milaza fa voavaha ny olana rehetra vao tonga eo amin’ny toerana… Tsy ampidina ny vidimpiainana izany mihitsy izay tonga eo fa fitiavana-tseza ny an’ny sasany dia mahay miresaka”, hoy ny fanehoan-keviny. Fotoana izay nanambarany fa afaka milatsaka izay te hilatsaka hofidiana amin’ny 2023, fa tsy tokony hitondra fanakorontanana amin’izao vanim-potoana izao.
Fananganana fotodrafitrasa?
Mahakasika ny fanakianan’ny mpanohitra ny amin’ny hoe tsy laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitrasa manoloana ny fahasahiranam-bahoaka, dia notsindriany fa zavatra ilain’ny vahoaka ny fotodrafitrasa atao ankehitriny, izay ho an’ny taranaka. Notanisainy tamin’izany ny fananganana ireo Hopitaly sy sekoly izay tena miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka satria toerana maro eto Madagasikara no tsy mbola ahitana toeram-pitsaboana sy sekoly akory. Tahaka izany koa ny fametrahana “Gymnase”, toy izay hapetraka ao Mahajanga. Tombony lehibe ho an’i Mahajanga, hoy izy, ny fahavitan’io fotodrafitrasa io, mba hahafahana mandray ireny lalao iraisampirenena lehibe ireny, toy ny Lalaon’ny Nosy. Ho an’i Mahajanga koa dia nisy ny fametrahana ozinina fanaovana siramamy izay sady mamokatra no namorona asa.



