Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY JMJ: Ho vitaina hatramin’ny faran’ny herinandro ireo lalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe

Afaka herinandro dia higadona tanteraka ny “Andron’ny tanora maneran-tany” (JMJ MADA-10) tanterahina ao Vakinankaratra. Efa mandeha ny fanomanana amin’izao fotoana. Eo amin’ny resaka fanamboaran-dalana amin’iny lalam-pirenena fahafito hiditra an’Antsirabe iny, dia fantatra amin’izao fotoana fa mandeha hatrany izany, izay manomboka eo amin’ny PK 145 eo amin’ny toerana antsoina hoe Vorontsiloza, ka mifarana ao amin’ny PK 165 ao antampon-tanànan’Antsirabe. Nomarihan’ny Governora, fa « tsy ho an’ny JMJ fotsiny ihany no nanaovana izany fa natao ho an’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, ary vita ny JMJ dia mbola mitohy izany fanamboaran-dalana izany ». Mandeha hatrany koa, etsy ankilany, ny fanamboarana ireo lalana ao an-tampon-tanàna, tanterahin’ny orinasa Magic Entreprise . Nanazava omaly ny Tale Teknika eo anivon’ity orinasa ity, fa misy fenitra tsy maintsy arahina amin’ny fanamboarana ireo lalana ireo. Fampanaraham-penitra izay mifandray amin’ny fananana fitaovana arifomba sy feno. “Efa nihalohavana “etude” nataona mpisehatra marolafy ny asa fanamboaran-dalana mialohan’ny hirosoana amin’ny asa. Avy eo mandeha ny “anticipation” mifandraika amin’ilay “etude” natao. Vita izay, miroso amin’ny fanatanterahana ny orinasa, ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo ambaratonga tsy maintsy arahina amin’ireo sosona atao amin’ny lalana mandrapandrakofana azy tara”, hoy ny fanazavana.

Manodidina ny 20km eo ny lalana atao ao Antsirabe, izay hiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, araka ny fanazavana. Afaka roa volana sy tapany eo no tombanana ho vita ireo asa rehetra ireo. Natao ho laharam-pahamehana kosa ireo lalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny JMJ izao, hoy ny fanazavana. Tombanana ho vita mialohan’ny rahampitso ireo lalana rehetra ao an-tampon-tanàna.

Fanomanana samihafa

Etsy ankilany, raha ny fanomanana ara-panjakana, ny 90%-n’izany no efa vita, raha mbola misy pitsopitsony apetrapetraka amin’izao fotoana, araka ny fanazavana nomen’ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra. Anisan’izany ny fikarakarana ny ampahan-toerana hametrahana ireo mpizaika, ny fikarakarana ny toerana hanombohana ofisialy sy hamaranana ny JMJ, ireo toeram-pidiovana isan-karazany sy ny foto-drafitrasa mifandraika amin’izany. Eo koa ny lafiny rano sy angovo, sy ny sisa. Amin’izao fotoana dia eo am-pananganana ny sehatra lehibe mirefy “08 a” natolotry ny Filohan’ny Repoblika, ireo tompon’andraikitra.

Nanipy teny momba ny resa-be mandeha mikasika ny “loko politika” tamin’ireo fanomezana ho an’ny mpizaika JMJ avy tamin’ny Filoham-pirenena mivady, ny governora. Nambarany, fa ireo tsy manao ihany no be vava eto amin’ny firenena. “Maro ny malala-tanana sy manampy amin’ny hetsika ara-panahy toy itony, anisan’izany ny Fitondram-panjakana, saingy raha ny Fanampiana avy aminy dia ho tombontsoan’ny besinimaro fa tsy ny JMJ irery ihany”. Nambarany, fa safidin’ny mpanome ny manome, ary natolotry ny Filoha tamin-kitsim-po ireo fanomezana ka noraisin’ny solon-tenan’ny Fiangonana Katôlika tamim-pitiavana ihany koa ho an’ireo mpizaika, izay lavitry ny resaka politika.

LR sy Stan R.

Fermer