PolitikaSongadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

VOLAMENA 17,39KG TRATRA TENY IVATO: Karohina i Mohammad Naime Ibrahim sy Rasamoenison Yhajanirina

Volamena milanja 17,390kg saika haondrana any Dubai no tratra teny Ivato tamin’ny Sidina Air Madagascar ho any Paris, ny alin’ny Alakamisy 25 hifoha 26 aogositra 2022. Tao anatin’ny fiaran’ny Sofitrans handeha ho eny amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina no nahitana izany. Araka ny fanazavana, nafenina tao anaty fonosana miisa efatra ireo Bolongam-bolamena miisa folo. Ary teo amin’ny fisavana ireo fiara miditra ao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina, na tarmac no nahatrarana ireo volamena.

Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, raha fanazavan’ny Kolonely Komandin’ny Fari-piadidianan’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo. “Heloka telo hatreto no azo hanenjehana ireo ahiahiana dia ny fikambanan’olon-dratsy (association de malfaiteurs); sy ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena ary fanaovana hosoka sy fampiasana taratasy hosoka (faux et usage de faux)”, araka ny voalazany. Teratany Malagasy miisa roa hatreto no notazomina atao andrimaso ho amin’ny famotorana, izay samy mpiasan’ny Sofitrans. Olona roa hafa kosa mbola karohina, dia i Mohammad Naime Ibrahim sy Rasamoenison Yhajanirina. Izy ireo izay mpandeha nikasa hitondra ireo volamena any Paris. Nanome toky ny teo anivon’ny Zandarimaria fa hahazo valisoa izay manome vaovao maripototra ahitam-bokatra mahakasika azy ireo. Tanjona, hoy ny fanazavana, ny hahafoana ny tambajotra mpanao ratsy.

Fermer