Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

VOLAMENA 17KG SARONA TENY IVATO: Tratra teny Itaosy Rasamoelson Yhajanirina

Saron’ny Mpitandro Filaminana teny an-tranony teny Itaosy omaly alahady 28 aogositra ilay lehilahy antsoina hoe Rasamoelson Yhajanirina, iray amin’ireo voarohirohy saika hanondrana volamena 17,3 kg antsokosoko tamin’ny herinandro lasa. Niaiky avy hatrany ny heloka iampangana azy izy ary nilaza fa efa fanintelony izy izao no namoaka volamena tahaka izao saingy tamin’ity izy vao tratra.

Marihana fa nitonona olona 2 hafa izy ho mpiray tsikombakomba aminy, samy malagasy avokoa izay karohina ihany koa amin’izao fotoana izao. Ilay teratany karana, Mohamed Naim Ibrahim kosa no mpaniraka azy sy manakarama, araka ny nambarany, ka ao amina toerana iray ao amin’ny Lycée technique Ampefiloha izy ireo no mifanome fotoana maka ny volamena izay aondrana antsokosoko sy maka ny vola karaman’izy ireo. Mitohy hatrany ny fanadihadiana, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpanao famotorana.

Raha tsiahivina, volamena milanja 17,390kg saika haondrana any Dubai no tratra teny Ivato tamin’ny Sidina Air Madagascar ho any Paris, ny alin’ny Alakamisy 25 hifoha 26 aogositra 2022 teo. Tao anatin’ny fiaran’ny Sofitrans handeha ho eny amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina no nahitana izany. Araka ny fanazavana, nafenina tao anaty fonosana miisa efatra ireo Bolongam-bolamena miisa folo. Ary teo amin’ny fisavana ireo fiara miditra ao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina, na tarmac no nahatrarana ireo volamena.

Fermer