KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

FIFANDRAISAN’I MADAGASIKARA SY NY BRITANIKA: Omen-danja amin’ny alalan’ny fampirantiana an-tsary etsy Ambohidahy

Efa maherin’ny 200 taona ny fifandraisana nisy teo amin’i Madagasikara sy ny firenena Britanika. Voarakitra an-tsary izany, ary haseho amin’ny alalan’ny hetsika fampirantiana izay atao eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny Masoivoho britanika eto amintsika.

Firenena roa  nifandray sy niara-niasa an-taonany maro i Madagasikara sy Grande-Bretagne. Ity farany izay firenen-dehibe anisan’ny tonga voalohany teto amintsika sy nankatoa ny Fanjakan’i Madagasikara tamin’ny taona 1817. Araka izany, efa maherin’ny 200 taona ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny roa tonta,  izay mivelatra amin’ny sehatra maro. Ireo rehetra ireo indrindra no ampahafantarina sy haranty an-tsary sy horonan-tsary  etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, nanomboka omaly hatramin’ny 09 Septambra ho avy izao. Havoitra amin’izany ireo endrika isehoan’ny tantaran’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Grande-Bretagne,   mitondra ny lohateny hoe « UK  in  Madagascar-See things differently ». Anton’io lohateny io, araka ny nambaran’ny Minisitra misahana ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, dia ny fahitana fa tsy ampy ny fampahafantarana ny tantaram-pirenena, ka ilaina ny fananana fomba fijery hafa amin’ny famantarana izany. Tanjon’ny hetsika koa ny fanehoana fa maharitra  ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Tsara marihina fa ity hetsika ity dia mifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny faha-70 taona nitondran’ny mpanjakavavy Elisabeth II any Grande-Bretagne.

Fanombohan’ny fiarahamiasan’ny Firenena roa tonta

Isan’ny misongadina ao anatin’ny fampirantiana an-tsary atao etsy Ambohidahy ny fanehoana ny tantaran’ny fisokafan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Santionany amin’izany  ny fampahafantarana ny  fanombohan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy  Grande-Bretagne, tamin’ny fitsidihan’ireo Masoivoho Malagasy tany Londre ny mpanjakavavy  Victoria. Ankoatra izay, misy koa ny fanehoana ny fitsidihana nataon’ny Printsy Vavy Anne teto amintsika ny taona 2017 lasa teo. Nambaran’ny Minisitra nandritra ny lanonam-panokafana omaly fa « Manana anjara toerana eo amin’ny kolontsaina  sy eo amin’ny tantaram-pirenena ny sary pika ». Izany indrindra no antom-pisian’ny Trano Sary, izay rantsan’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, mba hanomezana sehatra ny tontolon’ny sary.

« Coin Grande- Bretagne »

Ankoatra ity hetsika fampirantiana ity, tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny Masoivoho britanika koa ny fampiroboroboana ny vaky boky. Hisy araka izany toerana famakiam-boky, amin’ny teny vahiny antsoina hoe « Coin Grande- Bretagne » ao amin’ny efitrano Jaomanoro, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, rihana fahatelo. Ankoatra izay,  hojerena manokana ihany koa ireo karazana fampiofanana any ivelany ka mety azon’ny artista sy ireo mpianatra malagasy sitrahana.

« Bourse Chevening »

Ankoatra ny fampirantiana an-tsary dia hisy koa ny fampahafantarana ny Fandaharan’asa vatsim-pianarana « Bourse Chevening » izay ampisitrahin’ ny firenena britanika an’ireo tanora malagasy manomana ny mari-pahaizana Masters. Ireo voafantina amin’izany dia afaka manovo fianarana any amin’ireo Oniversite britanika fanta-daza safidin’izy ireo toa an’i Cambridge sy Oxford. Marihina fa efa maro ireo tanora mpikaroka malagasy no nisitraka ny Vatsim-pianarana Chevening.

Ranto  Mamitiana (Mpianatra asa)

Fermer