Fanadihadiana ManokanaPolitikaSongadim-baovao

HETSIKA SORA-PIANKOHONANA SY KARAPANONDRO FAOBE: Olona manodidina ny 3 tapitrisa hisitraka kopia sy karapanondro maimaimpoana

Hiroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ho fiomanana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023. Hahafahana manao izany dia tsy maintsy jerena ireo sokajin’olona tsy manana sora-piankohonana hatramin’izay, izany hoe, ho an’ireo izay tsy manana kopia nahaterahana sy ireo tsy manana karapanondrom-pirenena mba hoentina mifidy na mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Tsara tsindriana fa ny Malagasy rehetra dia tokony hanan-jo hifidy rehefa feno 18 taona no ho mihoatra.

Noho ireo antony ireo indrindra no nahatonga ny Fitondram-panjakana hikarakara ny fanoratam-pahaterahana faobe ho an’ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany tany am-pahaterahana (enregistrement rétroactif des naissances) sy ny fanomezana karam-panondrom-pirenena ho an’ireo feno taona, izay nankatoavina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny 24 Aogositra 2022 teo. Anio 1 septambra 2022 no hanombohana izany amin’ny fomba ofisialy, ka amin’ny alalan’ny fotoampitsarana mitety vohitra (audiences foraines) izay tarihin’ireo mpitsara mpamoaka didy manana fahefana amin’izany no hanatanterahana azy manerana ny Nosy.

Hetsika ho an’ireo 18 taona no ho mihoatra

Manaraka no nosafidiana manokana hanaovana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy satria rehefa natao ny tombatombana sy ny fanisana rehetra tao anatin’ny fanomanana ity hetsika ity dia tsikaritra fa any Manakara no betsaka ahitana ny olona tsy manana an’izay sora-piankohonana sy karapanondrom-pirenena izay, araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Atitany, Ramatoa Harimanana Simone. Ity farany izay nanambara fa tombanana ho eo amin’ny 3 tapitrisa eo no mety ho tafiditra amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao, raha hiainga amin’ireo olona vinavinaina fa hisitraka kopia sy karapanondro faobe. Marihina fa ireo olona 18 taona no ho mihoatra no hisitraka ny hetsika maimaimpoana, mba tsy haha very zo azy ireo amin’ny fiainam-pirenena. Ho an’ny ankizy tsy ampy taona mbola tsy manana kopia kosa dia efa misy tetikasa hiarahana amin’ny Unicef sy ireo Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Ireo dingana arahina…

Ho an’ireo olona voakasik’io tsy fananana kopia sy karapanondrom-pirenena io, mandritra ity hetsika ity dia mila manatona ny fokontany, n any Kaominina nahaterahana izy ireo. Efa misy fandrindrana manokana hahafahana misoratra anarana eny amin’ireny toerana ireny, araka ny fanazavana. “Misoratra anarana, avy eo mijery ny mpiasan’ny fahasalamana mandinika ny fotoana tokony ho nahaterahana marina sy ny taona, rehefa tomombana izay dia efa misy guichet unique hanatanterahana ny hetsika izay ahitana officier d’etat civil, ahitana secrétaire d’état civil, tomponandraikitra ara-pahasalamana, ary ahitana ny olona avy ao amin’ny fitsarana izay mamoaka ny didy ho solom-pahaterahana. Aorian’izay no mivoaka ny kopia, ary atao ao anatin’ny rejistra”, hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Atitany.

Raha tsiahivina, nambaran’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa Tokely Justin, nandritra ny fitsidihany tany amin’ny Distrikan’i Fenoarivobe ny herinandro lasa teo, fa zo fototra maha-olona maro no sitrahan’ny olom-pirenena manana kopian’ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena toy ny fahafahana miasa, mifidy, misora-panambadiana, sns. Nentaniny, araka izany, ny vahoaka rehetra mba hisoratra anarana eny anivon’ny Fokontany misy azy ireo.

Fermer