PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIFOFOANA NY AIN’NY FILOHA SY NY FIANAKAVIANY: Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpamily avy any Paris Frantsa

Olona 20 no natao fanadihadiana tamin’ilay raharaha tetidratsy saika hifofoana ny ain’ny Filoha sy ny Vady aman-janany, ary tafiditra tao anatin’ireo ilay mpamily niasa tany amin’ny masoivohontsika tany amin’ny Unesco Paris Frantsa, izay tompon’antoka voalohany tamin’ny fakana sary ny valizin’ny Filoha. Raha toa ka eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana avokoa ireo 19 hafa, dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy kosa ilay mpamily, taorian’ny fampanoavana, omaly.

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona 20 nanaovana fanadihadiana ka tafiditra tao anatin’ny raharaha, izay niandoha tamin’ny fahitana ny sarin’ny valizin’ny Filoha Andry Rajoelina niparitaka teny amin’ny tambajotra. Ny tao ambadik’izay anefa dia tetidratsy nampihoron-koditra saika hifofoana mihitsy ny ain’ny Filoha sy ny vady aman-janany.

Anisan’ireo niakatra fampanoavana ilay mpamily niasa tany amin’ny masoivohontsika tany amin’ny Unesco Paris Frantsa, izay tompon’antoka voalohany mpitsikilo nalefan’ireo mpanohitra avy any Frantsa haka ny sary sy ny angom-baovao rehetra momba ny fianakavian’ny Filoha rehefa mivoaka any ivelany izy ireo. Araka ny loharanom-baovao mantsy tany ivelany no saika notanterahina ilay fikasan-dratsy. Ny sarin’ny valizin’ny Filoha izay nalainy tany am-pahatongavana tany Paris moa no teboka niaingan’ny famotorana rehetra ka nahalalana fa saika hosisihana « grenade » hapoaka ny entan’ny Filoha, saika hovonoina mihitsy izy sy ny vady aman-janany, araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana hatrany.

Naharitra ora maro ny fakana am-bavany an’ireo olona 20 ireo, teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana sy ny zokiolona amin’ny « juge d’instruction ». Efa tamin’ny 12 ora alina vao vita izany ka napetraka eo ambany fanarahamason’ny fitsarana « contrôle judiciaire » ny 19, raha toa kosa ka nalefa eny Tsiafahy avy hatrany ilay mpamily. Ity farany izay mavesatra dia mavesatra ny fiampangana azy, araka ny angom-baovao hatrany.

Sary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, dia nandritra dian’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filoha tany Vienne tamin’ny volana Aogositra teo no niandohan’ny raharaha. Teo amin’ny fakana ny entana hiditra ao anaty fiara no nakan’ilay mpamily fiarakodia ao amin’ny Solontena maharitry ny Firenena malagasy, eo anivon’ny Unesco, ny sarin’ilay « étiquette »-n’ny entan’ny Filohampirenena ka nozarainy tao anaty vondrona « messenger ». Tao no nanomboka niparitaka ilay sary ary dia nitarin’ireo mpikambana tao anatin’io  vondrona « messenger » io nanosoram-potaka ny Filoha ho manao trafikana volamena. Maro ireo sary sy torohay naparitak’ilay mpamily tao anatin’ilay vondrona « messenger » ka nampiakatra ny fanenjehana ireo rehetra izay nandray anjara. Isan’ny voaresaka tao anatin’ny findain’ilay mpitsikilo, ny momba ny fiainana manokan’ny zanaky ny Filoha vavy, hoe lavitry ny mpiambina azy sy ny maro hafa. Eo koa ny  fanimbazimbana ny asam-panjakana tamin’ny alalan’ny famoahana sary tsy nahazoana alalana, izay isan’ny vesatra hanenjehana azy. Andrasana, araka izany, ny fotoam-pitsarana.

Fermer