Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
BAOLINA KITRA – CHAN 2022: Nahazo ny tapakila handehanana any Algérie ny Barea
Sambany teo amin’ny tantaran’ny Baolina Kitra malagasy. Ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny fifandonana tamin’i Botswana tetsy Mahamasina omaly dia efa ampy niakaran’ny Barean’i Madagasikara any amin’ny dingana famaranan’ny CHAN 2022 izay hatao any Algérie ny Janoary 2023. Efa nanatombo tamin’ny isa iray ny Malagasy tamin’ny lalao mandroso izay natao tany Botswana, ka nanana herijika kokoa tamin’ny lalao miverina, natao tetsy Mahamasina.
Voalohany amin’ny tantara. Tafita amin’ny dingan’ny famaranan’ny CHAN na ny Championnat d’Afrique des Nations ny Malagasy. Nisaraka ady sahala 1-1 ny Barean’i Madagasikara sy ny Zèbres avy any Botswana. Ady sahala izay nitondra antsika amin’ny fahazoana ny tapakila handehanana any Algérie. Telo taona taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny dingan’ny famaranan’ny lalao CAN, dia handray anjara amina fifaninanana lehibe indray ny Malagasy, eo amin’ny taranja baolina kitra, aty amin’ny Kaontinanta afrikanina.
Raha ny lalao omaly no hiverenana, dia hita ho niady ny lalao tamin’ny ampaham-potoana voalohany. Niezaka nanindry ny Malagasy, ary nahitam-bokany izany satria tafiditr’i Mario Carlos teo amin’ny Minitra faha-22 ny baolina ho antsika. Somary sahirana kosa ny Barea tamin’ny ampaham-potoana faharoa. Porofon’izany ny baolina tafiditry ny Botwanais tamin’ny alalan’i Johnson, teo amin‘ny minitra faha-65, ka naha sahala ny isa. Maro ireo baolina very teo amin’ny irakiraka afovoan’ny ekipam-pirenena malagasy. Teo koa ny fahadisoana maro nataon’ny lohalaharana, izay tsy nahavita baolina firy. Na izany na tsy izany, tombon-dalana ho antsika malagasy ny baolina iray tafiditra tamin’ny lalao mandroso, ary dia izao mibata ny fandresena izao ny mpilalao malagasy, izay manoratra tantara amin’ny baolina kitra eto an-toerana.
08 Janoary 2023 ka hatramin’ny 31 janoary 2023 no hotanterahina any Algérie ny Championnat d’Afrique des Nations na ny CHAN. Firenena 16 no mandray anjara. Fifaninanana natokana hanomezan-danja ireo mpilalao avy amin’ny firenena tsirairay aty Afrika, tsy misy mpilalao nantsoina avy any ivelany na mpila ravinahitra, ny CHAN. Ny taona 2009 no namoronana ny CHAN, izay lalaovina isaky ny roa taona. Nahazo ny amboara farany i Maroc, ny taona 2021. Nahazo amboara betsaka indrindra kosa i RDC Congo 2, sy Maroc 2. Mpampidi-baolina betsaka indrindra hatreto ilay teratany marokanina A Youb El Kaabi. Marihina fa andiany fahafito ny atao amin’ity taona ity.




