KolontsainaSongadim-baovao
SAMBANY AMIN’NY TANTARA: Hahazo kianja hahazaka mpijery 1 000 ny Mpanao hira gasy
Kolontsaina malagasy mbola voatazona hatramin’izao ny Hira gasy. Ity farany izay ifangaroan’ny dihy sy ny hira ary ny filalaovana karazana hainteny. Malagasy maro no niangaly izany hatramin’ny vanim-potoan’ny fahampanjaka, izay nodimbiasan’ny taranaka taty aoriana. Izany indrindra no manosika ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hametraka ny Kianjan’ny Hira gasy ho fanomezana sehatra bebe kokoa ireo mpiangaly Hira gasy.
Fitaovan-tserasera nitaizana ny fiarahamonina, nanomboka tamin’ny vanim-potoan’ny fahampanjaka ny Hiragasy. Ho fanomezana sehatra ireo mpiangaly izany, hisy ny kianja manokana omena azy ireo. Araka izany, tafapetraka ny Sabotsy lasa teo ny vato fototra hanombohana ny fotodrafitrasa etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Hira Gasy no hananana fotodrafitrasa manokana manarapenitra, atolotry ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, entina hanandratana ity Kolontsaina mampiavaka antsika ity, araka ny fanazavana. Kianja izay natao hiseharan’ireo tarika mpanao hira gasy rehetra tsy ankanavaka, ahafahan’izy ireo mampita ny kanto amin’ny alalan’ny ventson-kira mifono hafatra.
Manaraka ny fenitra
Kianjan’ny Hira Gasy manaraka ny fenitra no hatsangana ao an-damosin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, izay hahazaka mpijery 1000 latsaka kely, ary manana endrika faribolana. Ankoatra izay, ho fanamorana ny fifandraisana amin’ny lehiben’ireo mpiangaly ny hira gasy, hisy koa ny biraon’ny Federasion’ny mpanao hira gasy eny an-toerana, ary trano fiomanan’izy ireo. Marihina fa maimaim-poana ho an’ny mpanao hira gasy ny fampiasana azy fa fandraisana anjara entina mikojakoja mba hampateza ny kianja iombonana no hany hangatahana amin’ireo izay mampiasa azy. Ny fanorenana ny Kianjan’ny Hira gasy moa dia tetikasa izay iarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina misalahy amin’ny sehatra tsy miankina, ka hanampy betsaka amin’ny asa anatin’izany ny Hotel Carlton sy ny Groupe Fraise.
Vakoka ara-kolontsaina manan-karena ny hira gasy, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny lahateniny ny Sabotsy teo ka tsy tokony ho tsinontsinoavina. Izany indrindra no nametrahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny antontan-taratasy fangatahana hampidirana ny Hira gasy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine culturel de l’humanité immatériel) ny volana Aprily 2022 lasa teo tany amin’ny foiben’ny UNESCO Paris. Tanjona kendrena amin’izany ny hanehoana amin’izao tontolo izao ny lanjan’ny Hira Gasy izay iavahantsika amin’ny firenena rehetra maneran-tany.
Maro ny anarana niantsoana ny Mpihira gasy noho ny fivoaran’ny toerana misy azy ireo. Raha hiverenana ny lasa, tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina no niforona ny hira gasy. Mpilalao, Mpiangaly, izany no niantsoana azy ireo tamin’izany. Ankoatra izay, araka ny lovatsofina nampitain’ireo zoky mpisehatra amin’ny hiragasy dia tetsy Ankadifotsy no niandohany. Taorian’io dia lasa tany Ambanitsena no nisy izany, niova ho Mpamelo-tsena ny anaran’ireo mpihira gasy tamin’izany. Nantsoina hoe « Mpihira gasy » ireto farany nanomboka tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany.
Taranaka mpihira gasy…………
Hainteny isan-karazana mifono fitaizana, fananarana, feno hatsikana ary mampiala voly ny hira gasy. Maro ireo olo-manga nisehatra tamin’izany, izay nodimbiasan’ny taranany aty aoriana. Isan’izany ny tarika Ramampiherika, Sahondrafinina, Ingahy Radofa Fenoarivo, Rakotomavo Pierre, Ratovoson Ampahimanga, Ramilison Andohavary, Randrianasolo Bemozika, Rakotomandimby Samison, Ramilison Besigara, Rafaralahy Raymond.




