PolitikaSongadim-baovao
FARITRA SAVA : Vita tanteraka ny RN5A Ambilobe – Vohémar
Raha tsy misy ny fiovana dia ny zoma 09 Septambra 2022 izao no hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny lalam-pirenena fahadimy A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Vita tanteraka ny asa ankehitriny, ary voahaja ireo fenitra sy ny kalitao rehetra momba ny asa fanarenana, araka ny angom-baovao. Ny fanamboarana ity lalana ity izay isan’ny fanamby nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’Ambilobe sy Vohémar.
Vavolombelon’ny asa tokoa ny bainga voavadika! Ny taona 2018 no nanao velirano tamin’ny vahoakan’ny Faritra Sava ny Filoha Andry Rajoelina fa rehefa lany Filohan’ny Repoblika izy dia tsy maintsy amboarina ny lalana RN5A mampitohy an’i Ambilobe – Vohemar izay mirefy 150 Km. Lalana izay tena ratsy sy nampitaraina ny mponina mampiasa izany, satria tsy nisy nanamboatra efa ampolo taonany maro nifanesy. Ny volana Aprily 2019 vao nisy ny fifampiraharahana fiaraha-miasa sy fifanaovan-tsonia ny hanamboarana ny RN5A nataon’ny Fitondram-panjakana notarihan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary taorian’izay dia ny Filohan’ny Repoblika mihitsy no nidina teny ifotony nitondra fiara nijery ny haratsian’ny lalana RN5A, ary nametraka ny vato fototra sy tena nanomboka ny asa tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’ireo mpamatsy vola sy ny orinasa CRBC nanao ny asa.
Tsy vitsy ireo namendrofendro tamin’izany fa hoe makety fotsiny no haranty fa tsy ho vita akory, sy ny hoe lainga fotsiny io fa tsy misy lalana ho amboarina izany. Rehefa nandeha anefa ny andro, ny volana, ny taona, dia hitan’ny rehetra ny fanombohana sy fihazakazan’ny asa fanamboarana ary vavolombelon’izany ny vahoaka mpampiasa ny lalana mampitohy an’Ambilobe-Vohemar. Tsara marihinina fa na nisy aza ny krizy ara-pahasalamana sy ny fihibohana izay somary nanembatsembana dia tsy nahasakana ny fitohizan’ny asa izany.
Ankehitriny, vita tanteraka ny fanamboarana ny lalana Ambilobe-Vohemar, izay tafiditra tao anatin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena. Asa izay natomboka ny taona 2019 ary hotokanana sy atolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoaka ny 09 Septambra 2022 izao. Tsiahivina fa efa nanaovan’ny Fitondrana teo aloha propagandy ny fanamboarana ity lalana ity ary nanaovana vato fototra poakaty ny taona 2018 saingy tsy nisy asa nandeha na 1 metatra aza.
Ny Fanoratana.




