PolitikaSongadim-baovao

FANOMANANA FIFIDIANANA: Na mafy aza ny tsikera mahazo azy, manohy ny diany ny Ceni

Sesilany ny tsikera mahazo ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) hatramin’ny fotoana nijoroan’ny Birao maharitra ankehitriny. Hatraiza marina ny fahaleovantenan’ity rafitra ity? Nilaza ny Filohan’ny Ceni, omaly, fa tsy azo sakanana amin’ny fanehoan-keviny ny rehetra. Ny imasoan’ny Ceni kosa izao dia ny hampahomby ireo ezaka atao, dia ny hisian’ny fifidianana mangarahara, ary handraisan’ny rehetra anjara.

Vantany vao tafapetraka teo amin’ny toerany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) dia efa sesilany ny fanehoan-kevitra sy ny tsikera mamaivay mahakasika azy ireo. Vao tsy ela ihany koa ny iraka manokan’ny Vondrona Eoropeanina no namoaka ny tatitra milaza ny ahiahin’izy ireo amin’ny Filohan’ny Ceni ankehitriny, Andriamatoa, Dama Arsène Andrianarisedo, amin’ny maha Vadin’ny Minisitry ny Asa sy ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy azy. Namaly izany ny Filohan’ny Ceni omaly izay nilaza fa tsy azo ferana amin’ny fanehoan-keviny ny rehetra, ary samy manana ny fomba fijeriny, fa ny imasoan’ny Ceni kosa ankehitriny dia ny ampahomby ireo ezaka efa natomboka. Ny isian’ny fifidianana mangaraharaha hatrany no tanjona amin’izay zavatra atao, hoy ny Ceni, mba hampandray anjara ny rehetra. “Miezaka manao ny asanay ao anatin’ny fampanjakana ny mangarahara izahay sy ny fampandraisana anjara ny rehetra”, hoy izy.

Tsiahivina, fa isan’ny asa efa tanterahin’ny Ceni ankehitriny ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, izay fangatahan’ny rehetra ihany, na ny fiarahamonim-pirenena izany, na ny avy amin’ny fanoherana, eny hatramin’ny sehatra iraisampirenena mihitsy aza. Efa mandeha ny pitsopitsony rehetra mahakasika izany amin’izao fotoana, izay midika ho finiavana politika goavana mba hisian’ny mangarahara sy mba handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana. Tsara ho fantatra fa efa mandeha ihany koa izao ny hetsika fanomezana kopia sy karapanondro faobe ho an’ny olona 18 taona no ho mihoatra. Olona manodidina ny 3 tapitrisa eo ho eo no kendrena amin’izany. Tanjona, araka ny fanazavana, ny haha tafiditra an’ireo ao anatin’ny lisi-pifidianana vaovao aorian’ny fanavaozana tanteraka.

Napetraka araka ny lalàna…

Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny koa ny avy amin’ny « Jeune Patriote et Révolutionnaire de Madagascar » (JPRM), tamin’ny alalan’ny mpandrindra Sebastien Andriamanohisoa. Nambarany fa efa zava-dehibe ny faneken’ny “Mission d’Observation Electorale” (MOE) fa manaja ny lalàna velona ny fametrahana ireo rafitra tahaka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) sy ny Ceni, izay singa ahafantarana ny Fanjakana tan-dalàna, hoy izy. Tahaka ny mpanara-maso rehetra dia manana ny heviny manokana MOE, izay tsy hitovian-kevitra satria tokony ny fanaraha-maso ny fanajana ny lalàna no zava-dehibe, hoy izy. Ny tenany izay naka ohatra vitsivitsy amin’ny zava-nisy tany Frantsa nandritra ireo Fitondrana maro nifanesy mahakasika fanendrena tomponandraiki-panjakana ambony.

Notsindrian’ny mpandrindra ny « Jeune Patriote et Révolutionnaire de Madagascar » fa manomboka any amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, ny fikarakarana ny fifidianana, ny fizotran’ny fifidianana, ny fanangonana ary ny famoahana ny voka-pifidianana dia malalaka ny rehetra amin’ny fanarahamaso izany. “Koa nahoana ireo milaza azy ho mpanohitra amin’izao fotoana izao ireo indray rehefa avy nitaky ny “refonte” ny lisi-pifidianana dia nanao “boycotte” ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana izany?”, hoy izy. Miantso ny rehetra hampiasa ireo zo voalazan’ny lalàna momba ny fikarakarana ny fifidianana, araka izany, ny JPRM, amin’izay hetsika rehetra atao.

Fermer