PolitikaSongadim-baovao

HO AN’NY 4 TAONA MANARAKA : Hanome 325 tapitrisa Euro an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena ny Masoivoho vaovaon'ny Vondrona Eoropeanina, Ramatoa Isabelle Delattre, omaly 7 septambra 2022, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Tamin’izany no nanamafisany ny fahavononan’ny Vondrona Eoropeanina hanohana ireo tetikasam-pampandrosoana marolafy tanterahina eto amin‘ny firenena.

Ramatoa Isabelle Delattre indray no Masoivoho vaovaon’ny Vondrona Eoropeanina, miasa sy monina eto Madagasikara manomboka izao. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny Filoham-pirenena ny tenany, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Naneho ny fahavononany ity Masoivoho ity, ny hanohy ireo ezaka efa nataon’ireo Masoivoho teo alohany amin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana. Mitentina 325 tapitrisa euros, hoy izy, ny fanohanana avy amin’ny Vondrona Eoropeana amin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan’ny sehatra laharam-pahamehana amin’izany ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana.

Tetsy ankilany, naneho ny fahavononany hanamafy ny fifandraisana amin’ny Vondrona Eoropeana ihany koa Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nankasitrahany manokana ireo tetikasam-pampandrosoana maro izay nanohanan’ny Vondrona Eoropeana ny Firenena Malagasy, sy ny hanohizana izany mba hipàka mivantana hatrany amin’ny andavanandro ny vahoaka Malagasy.

Fifidianana amin’ny taona 2023

Ankoatra ireo tetikasam-pampandrosoana hiarahan’ny firenena Malagasy sy ity Vondrona iraisam-pirenena ity, dia noresahany roa tonta ihany koa ny fifidianana ho Filoham-pirenena izay ho tanterahina amin’ny taona 2023. Niombonan’ny roa tonta fa antoky ny fampandrosoana ny fametrahana ny fifidianana ara-demokratika, ao anatin’ny mangarahara sy mampiaty. Mijoro eo anilan’i Madagasikara ihany koa ny Vondrona Eoropeana amin’ny fanatanterahana izany hoy hatrany Ramatoa Isabelle Delattre.

Na izany aza, tsy mbola voafaritra mazava ny tohana entin’ny Vondrona Eoropeanina ho an’ny firenena malagasy amin’ny fifidianana manaraka eo, araka ny fanambaran’ny masoivohony omaly. Misy ifandraisany amin’ny fanatanterahan’i Madagasikara ireo toromarika napetrak’ireo iraka manokana manara-maso ny fifidianana tamin’ny taona 2018 ny fanampiana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, araka ny fanazavana. Maro ireo toromarika nivoaka tao anatin’io iraka io. Ary andrasan’ny Vondrona Eoropeanina ny hanatanterahana izany, hoy izy, izay tokony ho vita mialohan’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2023. Isan’ny andrasana ao anatin’izany ny fametrahana ireo lalana samihafa isian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. Isan’zany ny lalàna mahakasika ny famatsiambola ampiasain’ireo kandida sy ny tetibola ananany, izay tokony hisy mangarahara araka ny lalàna.

Fermer