
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AMBOARA ERAN-TANY BAOLINA LAVALAVA: Hiakatra kianja voalohany ny ladies makis 7s anio
Sambany teo amin’ny tantara ny ekipam-pirenena Malagasy Ladies Makis 7s no hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina lavalava lalaovina olona fito. Hiatrika ny lalao voalohany amin’izany izy ireo anio, atsy Afrika Atsimo. Lalao ampahavalon-dalana avy hatrany no atrehin’ny Ekipam-pirenena Malagasy, izay hifandonana amin’ny Wallaroos avy ao Aostralia.
Hifanandrina amin’ny Wallaroos avy any Aostralia ny Ekipam-pirenena Malagasy Ladies Makis 7s anio amin’ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina lavalava lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy. Ity fihaonana ity izay lalao fanokafana ny fiadiana ny amboara eran-tany, ho an’ny sokajy vehivavy tanterahina ao amin’ny kianja Cape Town, Afrika Atsimo, amin’ny 1 ora sy 11 minitra atoandro, ora eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka ny Ladies Makis 7s hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ity fiadiana izay tompondaka eran-tany ity, manoloana ny ekipam-pirenena goavana Aostraliana. « Tsy mora ny hihaona amin’ny Aostralia izay ekipa manana ny maha izy azy maneran-tany, efa nanomana ary vonona ny hanohitra izahay » hoy ny nambaran-dRaharimalala Sarindra Delphine, lohalaharan’ny Makis Ladies 7s tamin’ny valan-dresaka nifanaovana taminy. Etsy an-kilany, « manatombo eo amin’ny hakingana ny Makis Ladies raha oharina amin’ny haben’ny Aostraliana » hoy i Rija Randrianarison, mpanazatra ny klioban’ny Cosfa. Nanamafy ihany koa Rakotomalala Marcel, Filohan’ny Malagasy Rugby fa « azo resena tsara ny Aostraliana, ary manana ny tombony isika indrindra eo amin’ny resaka « plaquage » ». Ny mpanazatra izay manana ny paikady miompana any amin’ny fiarovan-tena, sy hanao ny tsara indrindra any amin’ny valim-panafihana, mandritra ity lalao fiadiana ny amboara eran-tany ity. Tsara ho fantatra fa, raha tafavoaka manoloana an’i Aostralia ny ekipam-pirenena Makis Ladies 7s anio, dia izay mivoaka mpandresy eo amin’ny Angletera sy Espana no miandry amin’ny lalao ampahefa-dalana rahampitso.
Tantaran’ny amboara erantany Rugby A7
Nanomboka tamin’ny 1993 ny fiadiana ny amboara eran-tany rugby à7 no nisy, ho an’ny sokajy lehilahy. 2009 kosa vao nisy ho an’ny sokajy vehivavy, izay tanterahina isaky ny 4 taona. Andiany fahefatra amin’ny fifaninanana ho an’ny vehivavy ny amin’ity taona ity, izay haharitra telo andro, manomboka anio ary hifarana ny alahady 11 septambra izao. Ahitana firenena 16 mpandray anjara, isan’izany i Madagasikara izay sambany teo amin’ny tantara no hiatrika ity fifaninanana ity, izay goavana indrindra amin’ny taranja baolina lavalava. Sambany ihany koa ny firenena Afrikana no hampiantrano ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina lavalava ho an’olona 7, izay aty amin’ny andiany fahavalo ho an’ny sokajy rehetra (lahy sy vavy) izany. Ny « World Rugby » sy ny « South African Rugby Union » no mikarakara ny fifaninanana. Tsara ho fantatra fa hahitana lalao 84 amin’ity andiany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao atsy Afrika Atsimo ity, 32 ny lalao ho an’ny sokajy vehivavy ary 52 ny lalao ho an’ny sokajy lehilahy.
Sokajy vehivavy
2009: Aostralia
2013: Nouvelle-Zélande
2018: nouvelle-zélande
Sokajy lehilahy
2001: Nouvelle-Zélande
2005: Fidji
2009: pays de galle
2013: nouvelle-zélande
2018: Nouvelle-Zélande
Firenena mpampiantrano : Afrika Atsimo
Firenena efatra tafiakatra avy hatrany, satria nanao ny manasa-dalana tamin’ny taona 2018 : Australie, États-Unis, France, Nouvelle-Zélande
Firenena 11 tafiakatra tany amin’ny lalao ara-kaontinantaly (compétition par zone continentale) : Chine, Japon, Madagascar, Canada, Brésil, Colombie, Angleterre, Espagne, Irlande, Portugal, Fidji.




