PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA TAO AMBILOBE : “Na iza na iza tsy misy mahasakana ny fampandrosoana ataontsika”

Ankoatra ny fahavitan’ny Lalam-pirenena fahadimy A, nanao sesilany ny fitokanana zava-bita nataon’ny Filohan’ny Repoblika tao Ambilobe. Isan’izany Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany, ny Epp Manarapenitra, ny Lalana Rarivato, ny toby mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro tao Vohémar, sy ny sisa. Nanambara ny Filoha fa na betsaka aza ny mpamingana sy mpisompatra, dia tsy voasakana na iza na iza ny fampandrosoana atao ankehitriny.

Vahoaka marobe no efa niandry ny Filohan’ny Repoblika mivady tao an-tampon-tanànan’Ambilobe ny harivan’ny zoma teo, niatrika ny fitokanana ny lalam-pirenena fahadimy A izay vita tara manontolo. Notsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny, ny nisafidianany an’Ambilobe voalohany hanaovana famoriam-bahoaka tamin’ny taona 2018, fony izy namory olona voalohany taorian’ny fahanginany nandritra ny efa-taona tamin’izany. Ankehitriny, mbola mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny vahoakan’Ambilobe, araka ny fanehoan-kevitry ny Filoha, tao anatin’ny lahateniny. Vao maika miha mafy orina izany fifandraisana izany, taorian’ny fahavitan’ireo tetikasa marobe, izay mamaly ny filan’ny vahoaka, toy ny Lalam-pirenena fahadimy A, ny Epp manarapenitra tao Betsiaka sy tao Matsaborilaidama, ny toby mpamokatra herinaratra tao Vohémar, ny lalana rarivato mampitohy RNP6 sy ny lisea, ary ny Fitsarana ambatonga voalohany ao an-tampon-tanànan’Ambilobe. « Fampandrosoana tsy vita herintaona, tsy vita roa taona, tsy vita telo taona, fa isika kosa miasa. Ary ny fampandrosoana tsy vitan’ny Fitondrana nifandimby dia vitantsika tao anatin’ny telo taona. Tsy voasakan’iza na iza ny fampandrosoana  ataontsika, na dia betsaka aza ny mpamingana”, hoy ny Filoha Andry Rajelina.

Mendrika hotohizana lavidavitra ny asa…

Antso niraisin’ireo rehetra nandray fitenenana tany Ambilobe kosa ny tokony hitohizan’ny fampandrosoana hiarahana amin’ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’ireo nilaza izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena izay nametraka mazava fa tamin’ny firenena latsaka an-katerezana aza vitan’ny Filoha no nanarina azy, maika fa firenena efa manomboka miarina tahaka izao, mendrika ny hotohizana lavidavitra kokoa ny asa, hoy izy. Mbola nilaza, toy izany, koa ny Governoran’ny Faritra Diana, sy ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy any Antsiranana ary ireo rehetra nifandimby nandray fitenenana. Tsara ho fantatra fa fanamby vaovao nambaran’ny Filoha tao Ambilobe ny fanamboarana ny lalana mamakivaky mivantana avy ao Andapa mivoaka ao Antsohihy izay ho atao tara manontolo.

Fermer