Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIFANDONANA SAMBO SY BOTRY TAO ANTSOHIHY: Tafakatra 14 ireo maty, misokatra ny fanadihadiana

Ny alahady hariva tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany no nitrangan’ny fifandonana teo amin’ny sambo roa, tao Ampondrabe, ao amin'ny Distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia. Rendrika vokatr’izany ny Sambo MAZAVA II, izay nitondra entana ilaina andavanandro sy mpandeha miisa 33. Hatramin’ny omaly dia tafakatra 14 ireo olona maty. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olona sasany sy ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity…

Botry iray antsoina hoe « Eau Vive Fenorano » no nifandona tamin’ny sambo iray antsoina hoe « Mazava II », izay nitondra entana ilaina andavanandro sy mpandeha miisa 33, ny harivan’ny Alahady 11 Septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany. Raha ny fanazavan’ny APMF, ilay botry “Eau vive Fenorano” izay lehibe noho ilay sambo mpitatitra olona no voalaza fa nandona, ka rendrika avy hatrany ity farany. Vokany, tafiakatra 14 ireo maty noho ny faharendrehan’ilay sambo Mazava II. Tsy nijanona fa nanohy ny diany kosa ilay botry nandona.

Vantany vao nahare ny vaovao ireo manam-pahefana tany an-toerana dia nidina ifotony avy hatrany. Nandray ny andraikiny ny APMF tao Analalava,  niaraka tamin’ireo manam-pahefana tany an-toerana ka nanakana ny botry “Eau Vive Fenorano”, ary mbola tao anatiny ireo mpamory efatra sy mpandeha telo ka nampihantsonina tao Analalava hatao fanadihadiana.  Raha ny fantatra, nitsoaka ny tompon’ity botry ity izay mbola an-dalam-pikarohana ankehitriny.  Ankilany, ho fanavotana ireo niharam-boina dia  “vedette” miisa efatra sy zandary no nalefan’ny APMF tany amin’ny toerana nisian’ny loza. Rehefa tonga teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza, vatana mangatsiaka 9 sy olona 2 no efa hita, io Alahady hariva io ihany, ary nisy ireo olona namonjy ny alà honko manodidina izay mbola hanaovana fikarohana, araka ny fanazavana. Efa noraisina an-tanana kosa ireo olona mbola avotra soa aman-tsara.

Fandehanana alina

Heverina ho fototry ny fifandonana teo amin’ireto sambo roa ireto ny andro efa maizina sy ny tsy fisian’ny jiro tamin’ilay sambo “Mazava II”, araka ny fanadihadiana. “Hisy ny fepetra hentitra horaisina manokana mahakasika ny fivezivezena an-dranomasina satria vokatry ny fandehanana alina no anisany nahatonga izao loza izao fa tsy misy zavatra hafa ankoatra izay”, raha ny fanazavana nataon’ny Goveranoran’ny Faritra Sofia, Jeneraly Lylyson Réné de Rolland.

Misokatra ny fanadihadiana

Manoloana ity lozam-pifamoivoizana an-dranomasina izay nitranga tao Ampondrabe ity,  izay namoizana ain’olona 14,  raha ny tarehimarika vonjimaika, dia tonga nankahery ireo fianakaviana niharam-boina ary naneho ny fiaraha-miory amin’izy ireo omaly Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Mpitondra tenin’ny Governemanta sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay iraky ny Filohan’ny Repoblika  Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governement Ntsay Christian ary ny Governemanta iray manontolo. Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny Governemanta, dia misy ihany koa ny fiaramanidina manokana avy amin’ny BNGRC mitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana niharam-boina izay tonga any Antsohihy. Nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta nandritra izany fa efa samy mandray ny andraikiny avokoa ny tompon’andraikitra manoloana iny loza iny ary efa nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana mpanao famotorana sy ny rafi-pitsarana mahefa.

 

Fermer